Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fizarana 2

Daty
Alarobia 20 November 2024

Hoy i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana: "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy" - Jao. 5:39. Fanambarana sahy tokoa izany, izay nilazany ny Tenany!

Samy manana ny heviny ny olona, fa misy mpandinika sasany milaza fa faminaniana an-jatony ao amin'ny TT no tanterak'i Jesősy avy any Nazareta. Na firy na firy izany, dia mampitolagaga ny mety hisian'ny olona iray mahatanteraka na dia vitsy monja amin'ireo fotsiny aza, mainka moa fa izy rehetra. Mampiasa sary an'ohatra toy izao ny olona sasany: alao sary an-tsaina hoe fenoina vola madinika miavosa hatreo amin'ny antsasa-metatra eo ny faritra iray mitovy velarana amin'i Texas, ka ny anankiray amin'ireo vola madinika ireo lokoina mavokely, dia afangaro izy rehetra. Avy eo, asao ny olona iray mitampi-maso haka vola madinika iray ao amin'ireo. Raha tsy afaka misafidy vola madinika afa-tsy indray mandeha izy, firy isan-jato ny taha mety hahazoany ilay mavokely?

Tsy isalasalana fa efa voalaza mialoha ao amin'ny TT ny nahaterahan'i Kristy sy ny fiainany ary ny fahafatesany, izay porofo mahagagan'ny maha-Mesia an'i Kristy, Ilay nandrasana. Imbetsaka no iresahan'i Jaona ny amin'ireo andalana avy ao amin'ny TT ireo mba hanazavany ny hoe: Iza i Jesôsy, ary koa, nahoana isika no tokony hino Azy sy hanaiky ny famonjena atolony.

Inona no ambaran'ireto andininy manaraka ao amin'ny filazantsaran'l Jaona ireto mikasika an'i Jesôsy, Izay nahatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia?

Jao. 12:13, Sal. 118:26 ……………………………………………………………………..……………

Jao. 12:14,15; Zak. 9:9 ……………………………………………………………………..……………

Jao. 13:18, Sal. 41:9 ……………………………………………………………………..………………

Jao. 19:37, Zak. 12:10, Zak. 13:6 ……………………………………………………………………..

Miorina tsara amin'ny finoanao ve ianao? Raha misy olona manontany ny antony mahatonga anao hino an'i Jesôsy ho Mesia, dia inona no mety havalinao, aiza no halehanao, ary nahoana, mba hiarovanao izany finoana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal