Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Ny fahefan’ny Soratra Masina

Daty
Alatsinainy 18 November 2024

Ankoatra ireo famantarana manokana sy fanambarana resahin'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesôsy , dia nampiasainy koa ny fahefan'ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy ny faminaniana ao anatiny, izay nanambara mialoha ny asan'i Kristy. Manan-danja lehibe ny Testamenta Taloha, tsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany fa ao amin'ny Testamenta Vaovao manontolo. Ny mombamomba an'i Jesôsy , Iza Izy? Avy aiza? Inona no nataony? Ary inona no hataony? - izany dia voamarina ao amin'ny Soratra Masina avokoa, izany hoe ny TT raha ny tontolon-kevitra eto.

Vakio ny Jao. 5:39,40,46,47. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny hevitr'i Jesôsy mikasika ny fahefan'ny Soratra Masina?

Tsy mitsahatra maneho ny fahefan'ny Soratra Masina i Jesôsy manerana ny filazantsara, ho vavolombelona fototra manambara Azy. Ampiasain'i Jesôsy matetika, ohatra, ireo toe-javatra nitranga tao amin'ny TT mba hanehoana ny Tenany sy ny asa ataony. Anankiray amin'izany ity manaraka ity, izay niresahan'i Jesôsy momba ny toe-javatra iray tao amin'ny Nom. 21:5-9. "Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona" - Jao. 3:14. Tsy mampahatsiahy ilay tantara fotsiny i Jesôsy eto fa amin'ny fampiasany izany hanehoana ny tenany dia omeny antsika ny fanazavana marina ny tian'ilay tantara hambara.

Ary tsy i Jesôsy irery no nampiasa ny TT mba hanehoana ny tenany fa misy hafa nampiasa izany koa hanehoana an'i Jesôsy. Hitantsika any amin'ny toko any aloha any, ohatra, ireto tenin'i Filipo ireto: "Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany." - Jao. 1:45.

Vakio ireto manaraka ireto: Jao. 13:18; Jao. 17:12; Jao. 19:24,28, 36. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny fahefan'ny Soratra Masina, araka ny hevitr'i Jesôsy sy i Jaona? Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny anjara tsy maintsy tànan'ny Soratra Masina koa eo amin'ny finoantsika?

Amin'izao fotoana izao, inona ireo hery miasa mangina na an-karihary izay mampihena ny finoantsika ny fahefan'ny Baiboly? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal