Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Ny fahefan’ny Soratra Masina

Daty
Alatsinainy 18 November 2024

Ankoatra ireo famantarana manokana sy fanambarana resahin'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesôsy , dia nampiasainy koa ny fahefan'ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy ny faminaniana ao anatiny, izay nanambara mialoha ny asan'i Kristy. Manan-danja lehibe ny Testamenta Taloha, tsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany fa ao amin'ny Testamenta Vaovao manontolo. Ny mombamomba an'i Jesôsy , Iza Izy? Avy aiza? Inona no nataony? Ary inona no hataony? - izany dia voamarina ao amin'ny Soratra Masina avokoa, izany hoe ny TT raha ny tontolon-kevitra eto.

Vakio ny Jao. 5:39,40,46,47. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny hevitr'i Jesôsy mikasika ny fahefan'ny Soratra Masina?

Tsy mitsahatra maneho ny fahefan'ny Soratra Masina i Jesôsy manerana ny filazantsara, ho vavolombelona fototra manambara Azy. Ampiasain'i Jesôsy matetika, ohatra, ireo toe-javatra nitranga tao amin'ny TT mba hanehoana ny Tenany sy ny asa ataony. Anankiray amin'izany ity manaraka ity, izay niresahan'i Jesôsy momba ny toe-javatra iray tao amin'ny Nom. 21:5-9. "Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona" - Jao. 3:14. Tsy mampahatsiahy ilay tantara fotsiny i Jesôsy eto fa amin'ny fampiasany izany hanehoana ny tenany dia omeny antsika ny fanazavana marina ny tian'ilay tantara hambara.

Ary tsy i Jesôsy irery no nampiasa ny TT mba hanehoana ny tenany fa misy hafa nampiasa izany koa hanehoana an'i Jesôsy. Hitantsika any amin'ny toko any aloha any, ohatra, ireto tenin'i Filipo ireto: "Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany." - Jao. 1:45.

Vakio ireto manaraka ireto: Jao. 13:18; Jao. 17:12; Jao. 19:24,28, 36. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny fahefan'ny Soratra Masina, araka ny hevitr'i Jesôsy sy i Jaona? Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny anjara tsy maintsy tànan'ny Soratra Masina koa eo amin'ny finoantsika?

Amin'izao fotoana izao, inona ireo hery miasa mangina na an-karihary izay mampihena ny finoantsika ny fahefan'ny Baiboly? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal