Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.

Daty
Talata 24 February 2026

Vakio ny Kol. 1:24,25. Inona no lazain'i Paoly momba ny fiaretany fahoriana noho ny amin'i Kristy?

Na dia fony izy gadra tao anaty trano tany Rôma aza no nanoratan'i Paoly ny bokin'ny Kolosiana, dia inoana fa ny tsy fahafahany niasa fatratra tamin'ny toerana samy hafa sy nitety tokantrano, tahaka ny nataony taloha, no fahoriana lehibe indrindra ho azy (Asa. 20:20). Ireo fahoriana ireo, izay efa nampitandreman'i Kristy mialoha (Mat. 24:9; Jao. 16:33), dia «tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika» Rôm. 8:18. Mihamazava ny resaka eto. Tahaka ny nosoratany ho an'ny Kristianina tany Filipy, dia mifaly noho ny fiaretany fahoriana izy ankehitriny, izay ho tombontsoan'izy ireo (Kol. 1:24).

Tao am-ponja i Paoly, «nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra" -2 Tim. 2:9. Nandritra ny fotoana naha mpifatotra azy no nanoratana koa ny Filipiana sy ny Efesiana ary ny Filemona. Taorian'ny namotsorana azy, dia nanindry mandry azy Andriamanitra mba hanoratra ireo torohevitra manan-danja ao amin'ny 1 Timoty sy Titosy. Avy eo, rehefa nogadraina farany tany an-tranomaizina romanina izy, dia nanoratra ny 2 Timoty. Raha fintinina, nanome fahafahana an'i Paoly hanoratra ny ampahany lehibe amin'ny TV ireo taona farany ireo, ary mety anisan'izany koa ny Hebreo.

Nahafaoka izany rehetra izany sy ny maro hafa ny drafitra mandrakizain Andriamanitra. Ny teny grika nampiasaini Paoly ao amin'ny Kôl, 1:25, izay nadika hoe fitondrana» dia oikonomia, Rehefa ampiasaina amin'ny heviny voafetra (toy ny ao amin'ny 1 Tim. 1:4) io teny io, dia midika hoe «ny fomba fandaminan Andriamanitra ny zavatra.» - Luke Timothy Johnson, The First and Second Letters to Timothy (New York: Doubleday, 2001), t. 164. Tafiditra ao anatin'izany ny maha apostoly an'i Paoly. Fa amin'ny heviny mivelatra kokoa, dia tafiditra ao ny fanomanan'Andriamanitra manontolo ny drafi-panavotana. Ny asan'i Paoly sy ireo apostoly hafa, ary na ny asan'ireo mpaminany taloha aza (Efes. 2:20; Efes. 3:5), anisan'izany i Mosesy, dia natao «hahatanteraka ny fitoriana ny tenin Andriamanitra» - Kol. 1:25; mifandray amin'io drafitra masina io izany rehetra izany.

Handinika akaiky kokoa ity lohahevitra ity isika ao amin'ny lesona rahampitso; na izany aza, ilaina ny manamarika dieny izao ny fiaiken'i Paoly fa ampahany kely monja amin'ny drafitra masina sy lehibe lavitra izay natomboka «hatrizay nanorenana izao tontolo izao» ny asa fanompoany (Mat. 13:35; Efes. 1:4).

Hevero ny fiainanao manokana. Ahoana no mety hampifanaraka ny fanapahan-kevitra raisinao (na lehibe na kely) amin'ny drafitra lehiben’Andriamanitra? Mety ho fantatsika marina ve ny tena hakely na halehiben'ny fanapahan-kevitra iray? Ahoana no mety hahazoana vokatra lehibe kokoa avy amin'izany, izay tsy ho hita raha tsy aty aoriana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal