Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.

Daty
Alatsinainy 24 August 2026

Nianarantsika omaly fa ny fitiavan'i Paoly ny Korintianina dia nasehony tamin'ny alalan'ny fampiononana azy ireo tao anatin'ny zava-tsarotra natrehiny, tahaka ny nandraisany fampiononana avy amin'Andriamanitra koa tamin'ny azy (1 Kor. 1:1-11). Anio kosa, ho hitantsika fa nasehon'i Paoly tamin'ny alalan'ny fahitsiana nananan'ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan'ireo mambra tao Korinto koa ny fitiavany.

Vakio ny 2 Kor. 1:12-14, mifandray amin'ny 2 Kor. 2:17 sy 2 Kor. 4:2. Amin'ny fomba ahoana no anehoan'ny fahitsian'i Paoly ny fitiavany ny Korintianina?

Ny 2 Kor. 1:12-14 no fampidirana ho amin'ny foto-kevitra hovelabelarin'i Paoly ao amin'ny epistiliny manontolo. Nampisalasala ny olona sasany tao Korinto ny fahitsian'i Paoly sy ny maha-apostoly azy marina. Nihevitra izy ireo fa nanana toetra miovaova sy tsy mahatapaka hevitra i Paoly, ka tsy mendrika ny fanompoana maha-apostoly. Nantitranterin'i Paoly ho setrin'izany, fa nitondra tena tamim-pahitsiana tanteraka izy sy ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan'izy ireo.

Teny roa no manoritsoritra ny fitondrantenan'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy: ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po (2 Kor. 1:12). Ny teny nadika hoe «fahamasinana» dia avy amin'ny teny grika hoe haplotës. Ampiasaina eto izany mba hanehoana ny fahitsiana manokana eo amin'ny fiteny na ny fihetsika; raha fintinina, dia manambara ny fahatsoram-po izany (Efes. 6:5, Kol. 3:22). Etsy ankilany, пу teny hoe "fahadiovam-po" (avy amin'ny teny grika hoe eilikrineia) dia manondro fahitsiana sy fahatsoram-po koa.

Tsy tokony ho nampisalasala ny Korintianina ny fahazavan-tsain'i Paoly. Nasehony mazava fa avy amin'Andriamanitra ny fahatsorany sy ny fahitsiany. Voambara tsara izany hevitra izany ao amin'ny dikan-teny DIEM: "Tamin'ny fahamasinana sy ny fahatsoram-po avy amin'Andriamanitra no nitondranay tena. " 2 Kor. 1:12. Ao amin'io andininy io ihany, nambaran'i Paoly fa nomena antsika «tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra» ireo toetra ilaina amin'ny fanompoana ireo.

Hita fa mety ho diso fandray ny tenin'i Paoly tao amin'ny hafatra nosoratany tany aloha ireo mpanohitra an'i Paoly (2 Kor. 1:13, 14). Nanome toky azy ireo i Paoly fa mazava sy mora takarina ny fikasany. Azony antoka fa ho hita porofo ny fahitsian'ny teniny, ny fikasany, ary ny asany "amin'ny andron'i Jesôsy Tompontsika"- 2 Kor. 1:14.

Oviana no efa nisalasalan'ny olona ny amin'ny fikasanao sy ny tanjonao, na dia tsy nieritreri-dratsy sy nadio fo aza ianao tamin'izany? Nanao ahoana ny fahatsapanao? Inona no ambaran'izany aminao momba ny tokony hitandremanao rehefa mampisalasala anao ny fikasan'ny olon-kafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal