Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Fanamelohana

Daty
Alakamisy 28 November 2024

"Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy. (...) Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany." Jao. 3:18, 20, 21; ampitahao amin'ny Jao. 1:10.

Nahoana ny olona no tsaraina? Jao. 3:18,36; Jao. 5:24,38; Jao. 8:24; Jao. 12:47.

Mahatonga antsika hisokatra ho amin'ny fisalasalana sy ny fakam-panahin'ny devoly ny fandavana an'i Jesôsy Kristy, ilay Fahazavan'izao tontolo izao. Fiodinana amin'ny fahazavana ho amin'ny haizina izany.

Nomena fahazavana i Eva mahakasika izay tsy azony atao amin'ilay hazo teo afovoan'ny saha. Naka fanahy azy Satana mba hisalasala ny amin'izany fahazavana izany. Nozahan-dravehivavy toetra ny tenin'Andriamanitra ka nisaina izy fa tsy hanimba ny voary izay nohariany ny Andriamanitra iray izay fitiavana. Niantehitra tamin'ny fahalalany araka ny retsi-pandreny koa izy. Efa nihinana tamin'ilay hazo ilay menarana ka indro afaka miteny ankehitriny; noheveriny araka izany fa marina izay nambaran'ity menarana ity. Raha toa aho maka amin'ilay hazo dia ho tonga tahaka an'Andriamanitra! Voafitaka izy ka niala tamin'ilay fahazavana, ary nifidy izany lalana izany koa ny vadiny.

Vakio ny Mat. 4:1-4. Inona ny fitsipika nampiharin'i Kristy tany an'efitry ny fakam-panahy mba hanoherana ny famitahan'i Satana?

Sain'olombelona tahaka ny an'i Adama sy i Eva, sy ireo olona talohan'ny Safodrano, ary ireo Isiraelita tao Kadesy Barnea ihany no tao amin'i Kristy. Azony natao ny nanontany ny amin'ny anton'ny hamelan'Andriamanitra fitiavana ny Zanany lahy ho any an'efitra mandritra ny 40 andro sy alina kanefa tsy misy hanina na fiarovana. Azony natao koa ny nanapa-kevitra ny haneho ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, tamin'ny fanovana ny vato ho mofo! Tsy izany anefa no nataony, fa novaliany tamin'ny Tenin'Andriamanitra i Satana. Niasa araka ny fomban'ny lanitra Izy fa tsy araka ny fisainan'ny tany. Ho mora taminy tokoa ny nitady fialan-tsiny eo anatrehan'ny fanapahan-kevitra ratsy. Maro ny olona manao izany matetika na dia ireo olon'ny finoana aza, saingy tsy nanao izany Izy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal