Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 29 November 2024

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra" toko 1 sy ny "Adihevitra" toko faha-66 ao amin'ny IFM.

"Tamin'ny nanetreny tena ka nandraisany teo Aminy ny maha-olombelona, dia naneho toetra amam-panahy mifanohitra amin'ny an'i Satana i Kristy. Nefa dia mbola nidina ambany kokoa teo amin'ny lalan'ny fanetren-tena Izy. 'Rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana dia ny fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana Fil. 2:8. Tahaka ny mpisoronabe nanaisotra ny fitafiany marevaka amin'ny maha-mpisorona azy, ka anaovany fanompoam-pivavahana mitafy ny rongony fotsy fanaon'ny mpisorona tsotra, toy izany koa i Kristy izay naka ny endriky ny mpanompo ka nanolotra fanatitra, ary tamin'izany dia Izy no mpisorona, ary Izy koa no sorona. 'Nefa Izy dia voalefona noho ny fahotantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy.- Isa. 53:5.

Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika hamarinina amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba ahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. 'Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika."- IFM, tt. 11, 12, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nanome betsaka tokoa i Jesôsy mba hamonjena an'izao tontolo izao. Araka ny hevitrao, inona ny fomba tsara indrindra hanampiana ny hafa hahita izany fahamarinana mahatalanjona izany ka hanatona Azy amin'ny finoana?

2. Inona ny fahasamihafana eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra araka ny fisainan'olombelona sy ny fandraisana fanapahan-kevitra miorina amin'ny fanambaran'Andriamanitra?

3. Ahoana no ifandraisan'ny lôjika sy ny fahaiza-mandanjalanja amin'ny fahatakarana ny Tenin'Andriamanitra? Inona ny antony ara-lôjika sy ara-pisainana ananantsika mba hahatongavana amin'ny finoana? Ny fahatanterahan'ny faminaniana na koa ny fahatsaran-tarehy mahatalanjon'ny tontolo nohariana sy ny maha-tsy takatry ny saina izany dia mampitodika antsika ara-lôjika sy ara-pisainana ho amin'ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinana momba ny drafi-pamonjena; amin'ny fomba ahoana?

4. Ao amin'ny kilasy, resaho ny valin-teninao tamin'ny fanontaniana ao amin'ny fiafaran'ny fizarana Talata. Miorina amin'inona ny finoanao? Raha misy manontany anao ny antony inoanao an'i Jesôsy sy ny fanambaran'ny Filazantsara, inona no havalinao azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal