Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Mino ary ateraka indray

Daty
Talata 26 November 2024

Vakio ny Jao. 1:12,13. Inona avy ireo dingana ho amin'ny fahatongavana ho Kristianina voalaza eto?

Nanoratra ny filazantsarany i Jaona mba hinoantsika an'i Jesôsy , ary mba hananantsika fiainana mandrakizay amin'ny Anarany noho ny finoantsika (Jao. 20:31). Mizara ho din dingana roa izany ao amin'ny Jao. 1:12,13. Voalohany. mandray Azy isika, izany hoe, mino Azy. Faharoa, omeny antsika ny fahefana ho tonga zanak Andriamanitra; "naterak'Andriamanitra" no ilazana izany ao amin'ny and. 13. Araka izany, samy mandray anjara amin'ny fahatongavantsika ho Kristianina na isika olombelona na Andriamanitra. Tsy maintsy miasa amin'ny finoana isika, mandray Azy, manaiky handray ny fahazavana, fa Izy irery kosa no manavao ny fo.

Raha ny marina, ny finoana dia fanomezan'Andriamanitra izay azo avy amin'ny fandrenesana ny Teniny (Rôm. 10:17). "Mba hananantsika finoana marina, izay mitoetra ao amin'i Kristy, dia tsy maintsy mahalala Azy araka izay anehoan'ny teniny Azy isika." - Fundamentals of Christian Education, t. 433. "Ilay Fanahy izay miasa ao amin'ny fisainan'ny olombelona sy manazava izany no mamorona ny finoana an'Andriamanitra ao anaty." - SDABC, b. 7, t. 940.

Ireo izay mino sy manaiky ny Zanak'Andriamanitra ho Mesia no mahazo ny fiainana mandrakizay. Asongadin'i Jaona koa ny fanekena na ny finoana ny Teny izay lazain'i Jesôsy (Jao. 5:24, 38, 47). Anjara asan'ny Fanahy Masina ny mandresy lahatra (Jao. 16:7, 8; ampitahao amin'ny Rôm. 8:16).

Vakio ny Rôm. 8:16. Inona ny foto-kevitra momba ny famonjena ao amin'i Jesôsy hita eto?

Ny finoana araka ny Baiboly, izay miorina amin'ny fiasan'ny Fanahy Masina ao am-pontsika, no fanorenan'ny finoantsika. "Ny finoana dia fitahiana lehibe ny maso izay mahita, ary ny sofina izay mandre." - HP, t. 104. Ny fomba fijery ny finoana amin'ny maha-olombelona dia milaza fa tsy maintsy manana fanorenana sy fepetra ho an'ny finoana aloha isika vao mino. Mifanohitra amin'izany kosa ny fomba fijerin'ny Baiboly, izay milaza fa ny finoana no fanorenana; fanomezana avy armin'Andriamanitra izany (Efes. 2:8; 1 Kôr. 1:17-24; 1 Kôr. 2:1-6). 2:1-6). Eo amin'ny fanorenan'ny finoana isika no miainga, ary avy eo no hitomboantsika ho amin'ny fahatakarana sy ny fahasoavana.

Raha misy manontany anao ny amin'izay fototra iorenan'ny finoanao, inona no havalinao azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal