Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Mino ary ateraka indray

Daty
Talata 26 November 2024

Vakio ny Jao. 1:12,13. Inona avy ireo dingana ho amin'ny fahatongavana ho Kristianina voalaza eto?

Nanoratra ny filazantsarany i Jaona mba hinoantsika an'i Jesôsy , ary mba hananantsika fiainana mandrakizay amin'ny Anarany noho ny finoantsika (Jao. 20:31). Mizara ho din dingana roa izany ao amin'ny Jao. 1:12,13. Voalohany. mandray Azy isika, izany hoe, mino Azy. Faharoa, omeny antsika ny fahefana ho tonga zanak Andriamanitra; "naterak'Andriamanitra" no ilazana izany ao amin'ny and. 13. Araka izany, samy mandray anjara amin'ny fahatongavantsika ho Kristianina na isika olombelona na Andriamanitra. Tsy maintsy miasa amin'ny finoana isika, mandray Azy, manaiky handray ny fahazavana, fa Izy irery kosa no manavao ny fo.

Raha ny marina, ny finoana dia fanomezan'Andriamanitra izay azo avy amin'ny fandrenesana ny Teniny (Rôm. 10:17). "Mba hananantsika finoana marina, izay mitoetra ao amin'i Kristy, dia tsy maintsy mahalala Azy araka izay anehoan'ny teniny Azy isika." - Fundamentals of Christian Education, t. 433. "Ilay Fanahy izay miasa ao amin'ny fisainan'ny olombelona sy manazava izany no mamorona ny finoana an'Andriamanitra ao anaty." - SDABC, b. 7, t. 940.

Ireo izay mino sy manaiky ny Zanak'Andriamanitra ho Mesia no mahazo ny fiainana mandrakizay. Asongadin'i Jaona koa ny fanekena na ny finoana ny Teny izay lazain'i Jesôsy (Jao. 5:24, 38, 47). Anjara asan'ny Fanahy Masina ny mandresy lahatra (Jao. 16:7, 8; ampitahao amin'ny Rôm. 8:16).

Vakio ny Rôm. 8:16. Inona ny foto-kevitra momba ny famonjena ao amin'i Jesôsy hita eto?

Ny finoana araka ny Baiboly, izay miorina amin'ny fiasan'ny Fanahy Masina ao am-pontsika, no fanorenan'ny finoantsika. "Ny finoana dia fitahiana lehibe ny maso izay mahita, ary ny sofina izay mandre." - HP, t. 104. Ny fomba fijery ny finoana amin'ny maha-olombelona dia milaza fa tsy maintsy manana fanorenana sy fepetra ho an'ny finoana aloha isika vao mino. Mifanohitra amin'izany kosa ny fomba fijerin'ny Baiboly, izay milaza fa ny finoana no fanorenana; fanomezana avy armin'Andriamanitra izany (Efes. 2:8; 1 Kôr. 1:17-24; 1 Kôr. 2:1-6). 2:1-6). Eo amin'ny fanorenan'ny finoana isika no miainga, ary avy eo no hitomboantsika ho amin'ny fahatakarana sy ny fahasoavana.

Raha misy manontany anao ny amin'izay fototra iorenan'ny finoanao, inona no havalinao azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal