Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.

Daty
Talata 26 August 2025

NY DRAFITR'ANDRIAMANITRA TANY AM-BOALOHANY

Vakio ny Eks. 23:20-33. Inona ny fomba fiasa tian'Andriamanitra nampiasaina mba hahazoan'izy ireo ny Tany Nampanantenaina?

Tsy fikasan'Andriamanitra ny hiadian'ny Isiraelita mba hahazoany ny taniny vaovao; fa natao homena azy ireo izany. Nampanantenaina an'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba izany ary, tokony ho noraisina ho fanomezana manokana avy amin'Andriamanitra ho an'ny Isiraely.

Naseho ho modely ny fomba niampitana ny Ranomasina Mena hanehoana ny formba hahazoana ny Tany Nampanantenaina. Andriamanitra no niady ho an'ny vahoakany ary nanome azy ireo ny fandresena tanteraka nanoloana ireo izay nikasa hamono azy (Eks. 14:13,14). Resy ny Egyptianina satria niditra an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga ny Tompo. Toy izany koa tamin'ny andron'i Sankeriba, mpanjaka Asyrianina, resin Andriamanitra ny tafika Asyrianina, izay lehibe, mirongo fitaovam-piadiana, ary tsara ofana, kanefa tsy nila niady akory ny Isiraelita. Nanome fandresena Andriamanitra satria nino ny tenin'Andriamanitra nomena azy tamin'ny alalan'i Isaia mpaminany ny mpanjaka Hezekia (2 Mpanj. 19:35, Isa. 37:36).

Nampahafantarin'Andriamanitra an'i Abrahama fa tsy homena ny taranany avy hatrany ny Tany Nampanantenaina, raha tsy aorian'ny 400 taona (Gen. 15:13-16). Nahoana? Nisy ifandraisany tamin'ny faharatsian'ny mponina tao Kanana ny antony. Niasa sy namindra fo tamin'ireo olona ireo Andriamanitra, ary nanome azy ireo fotoam-pahasoavana hibebahana. Saingy nanohy ny fikomiany tamin'Andriamanitra sy ny fitsipiny izy ireo, ary nony tonga tamin'ny fetrany ny helok'ireo firenena ireo, dia vonona Andriamanitra hanome ny taniny ho an'ny Hebreo.

Ankoatra izany dia nampanantena Andriamanitra fa horoahiny eo anoloan'ny Isiraely ireo firenena ireo, amin'ny fomba roa tsy mahazatra nefa tena mahomby: (1) hampifanaritaka ireo firenena ratsy fanahy Jehovah, ary (2) hampandeha fanenitra izay handroaka ny olona. Mialoha ny hahatongavan'ny Isiraelita ao amin'ny taniny vaovao, dia ho efa nandao ny toerana ny fahavalony, satria hampiamboho azy rehetra ny Isiraely i Jehovah, ka handroaka azy ireo (Eks. 23:27,28).

Nanana anjara lehibe tamin'ny fahazoana ny Tany Nampanantenaina Ilay Anjelin Andriamanitra. I Kristy io Iraka io, Izay nitarika ny Isiraely, nandresy tany maro, ary niaro azy ireo. Izy no andry rahona nitarika azy ireo nony andro ary andry afo kosa nony alina. Tsy maintsy nitandrina tsara ny Isiraely, ary tsy maintsy nihaino Azy satria nanana ny fahefan'Andriamanitra Izy (Eks. 23:21). Hampananosarotra ny fandrosoan'izy ireo ny fanoherana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fisalasalana ny amin'ny fitarihany.

Nomen'Andriamanitra taona maro treo mpanompo sampy ireo, dia fotoana lava azony nohararaotina mba hialana amin'ny fomba ratsiny. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fahasoavan'Andriamanitra, ary koa momba ny fetran'io fahasoavana io ho an'lreo izay tsy meły mandray izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal