Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana

Daty
Alahady 23 November 2025

EDENA SY KANANA

Vakio ny Gen. 2:15 sy ny Gen. 3:17-24. Inona avy ny vokatry ny Fahalavoana, raha ny toeram-ponenan'ireo mpivady voalohany no resahina?

Namponina an'i Adama sy i Eva tao anatin'ny tontolo tonga lafatra Andriamanitra tamin'ny Famoronana; tontolo iray feno harena sy fahatsaran-tarehy izany. Tao anatin'ny toeram-ponenana iray maha-te ho tia izay nanome azy ny zavatra nilainy ara-batana rehetra no nihaonan'ireo mpivady voalohany tamin'ilay Mpamorona azy. Ankoatra ny teny niloaka avy teo am-bavan'Andriamanitra, dia ny sahan'i Edena koa no ivon-toerana iray nianaran'i Adama sy i Eva lesona ary nandraisany fahalalana manan-danja mikasika ny toetran Andriamanitra sy ny fiainana nokasainy hiainan'izy ireo. Araka izany. rehefa notapahin'izy ireo ilay fifandraisam-pitokisana tamin'ny Mpamorona azy, dia niova koa ny fifandraisany tamin'ny sahan'i Edena: tsy maintsy niala tao amin'ilay saha izy ireo mba ho fanehoana mivantana izany fifandralsana tapaka izany. Verin'izy ireo ilay faritany izay nomen'Andriamanitra azy. Araka izany, dia tonga tandindona maneho ny fiainana be dia be ny sahan'i Edena, ary ho hitantsika indray izany sary izany ao anatin'ny lohahevitry ny Tany Nampanantenaina.

Ahoana ny fomba fahitan'ireo patriarka ny teny fikasana momba ny tany? (Jereo ny Gen. 13:14,15; Gen. 26:3,24; Gen. 28:13). Araka ny hevitrao, midika inona amin'ny maha-Advantista antsika ny hoe velona amin'ny maha-mpandova ny teny fikasana (Heb. 6:11-15)?

Rehefa tonga tao amin'ny tany izay nasehon'Andriamanitra azy i Abrahama, dia nanjary Tany Nampanantenaina ho azy sy ireo taranany tamin'ny alalan'ny finoana io firenena io. Nandritra ny 400 taona no nitoeran'io tany io ho Tany Nampanantenaina. Tsy ireo patriarka no tena tompon'ny tany ka tsy azony natolotra ho lovan'ireo taranany izany. An'Andriamanitra izany, tahaka ny maha-Azy ny sahan'i Edena. Tahaka an'i Adama sy i Eva izay tsy nanao na inona na inona mba hananany zo honina tao amin'ny saha Edena, ny Isiraely koa dia tsy nanao na inona na inona mba hahatonga azy ireo ho mendrika ny tany Kanana. Fanomezana avy amin'Andriamanitra araka ny nahim-pony ny Tany Nampanantenaina. Tsy nanan-jo hahatonga azy ho tompon-tany ny zanak'Isiraely (Deo. 9:4-6), fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no nahazoan'izy ireo izany.

Mpandova ny teny fikasana ireo patriarka mandra-pahatanterak'izany. Isika kosa, amin'ny maha mpanara-dia an'i Kristy antsika, dia efa nandova teny fikasana tsara lavitra (Heb. 8:6) izay ho tanteraka raha toa isika "hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana." - Heb. 6:12.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal