Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LOVAM-PITIAVANA

Daty
Alakamisy 11 April 2024

Vakio ny Jao. 13:35 sy ny 1 Jao. 4:21. Inona no ambaran'ireo andininy ireo eo anatrehan'ny fihaikana ataon'i Satana amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ao amin'ilay fifanandrinana lehibe? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fivavahana kristianina tena izy?

Ny fitiavana no fenitry ny fiarahamonina kristianina nandritra ireo taonjato voalohandohany. Izao no nambaran'i Tertullien: "Ny asa vokatry ny fitiavana ambony indrindra no mitarika olona maro hametaka famantarana eo amintsika. Jereo, hoy izy ireo, fa mifankatia izy ireo". (Jereo ny Terullian's Apology 39, nadikan'i S. Thelwall ao amin'ny https://www.logoslibrary.org/tertullianiapology/39.html.).

Fomba iray anisan'ny lehibe indrindra nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra no niseho rehefa namely tamin'ny taonjato voalohandohany nisian'ny fiangonana, tamin'ny 160 sy 265 TrK, ny areti-mandringana. Nitondra fanampiana ho an'ireo narary sy ireo ambavahoana ny Kristianina. Namono olona an'alina ireo areti-mandringana ireo ary namely tanana madinika sy tanan-dehibe maro tsy hisy mponina. Nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny mponina ny asa fanompoana feno fandavan-tena sy fahafoizana ny aina, ary feno fiahiana sy fitiavana nataon'ireo Kristianina. Rehefa nandeha ny fotoana dia mponina an'arivo, avy eo an'alina ary farany an-tapitrisa tao amin'ny fanjakana rômanina no tonga mpino an'i Jesôsy nandritra ireo valanaretina roa ireo. Ny fitiavana, ny fiahiana ary ny fikarakarana voarindra sy feno fandavan-tena natao tamin'ireo marary sy ireo ambavahoana no nahatonga ny olona voasarik'ireo mpino ireo sy ilay Kristy izay nosoloany tena.

Ny asan'i Rodney Stark, "The Rise of Christianity", dia fitantarana moderina izay maneho ireo toe-javatra ara-tantara ireo amin'ny fomba fisehony vaovao sy nohatsaraina. Lazainy ao ny fomba niovan'ny fiarahamonina kristianina manontolo nandritra ny valanaretina faharoa (260 TrK) ho tena tafika mpitsabo mpanampy nitondra ireo filana fototra mba hahaveloman'ny fiarahamonina izay tanatin'ny fanaintainana. Tamin'ny fotoana nampirongatra indrindra ilay valanaretina faharoa, manodidina ny taona 260 dia nanoratra taratasin'ny Paska iray i Dionysos ho fankasitrahana ny ezaka feno herim-po nataon'ireo Kristianina teo an-toerana noho ny fitsaboana nataon'izy ireo; betsaka tamin'izy ireo no namoy ny ainy raha teo am-pikarakarana ny hafa.

 "Naneho fitiavana sy fahatokiana tsy misy fetra ny ankamaroan'ireo rahalahintsika kristianina ka tsy nikely aina velively ary tsy nihevitra afa-tsy ny hafa. Tsy nanahy ny amin'ny loza izy ireo fa nikarakara ny marary, namely ny filan'izy ireo rehetra ary nitsabo azy ireo tao amin'i Kristy, ary niaraka tamin'izy ireo no nandaozany ity tany ity tamim-pitoniana feno fiadanana satria nifindran'ny aretin'ny marary hafa izy ireo; nanjary tao aminy ny aretin'ireo namany ary nekeny tamim-pifaliana ny fanaintainany." —Rodney Stark, The Rise of Christianity (Princeton, New Jersey: Princeton University Press, 1996), t. 82.

Inona ny hafatra mazava alefa amintsika eto? Ahoana no hianarantsika ho faty ny amin'ny tena mba hahafahantsika maneho toe-tsaina manda tena toy izany? Tsy mora izany, sa tsy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal