Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiahy ny tantara ary midera an'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 04 March 2024

Vakio ny Sal. 105. Inona avy ireo vanim-potoana ara-tantara mbamin'ny lesona ampitain'izany asongadina ao amin'io Salamo io?

Tranga manan-danja, izay namaritra ny fifandraisam-panekena teo amin'Andriamanitra sy ny Isiraely olony no ampahatsiahivin'ny Sal. 105. Mifantoka amin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama izany, izay nanomezany toky fa homeny azy sy ny taranany ny Tany Nampanantenaina. Voalaza koa ny fomba nanatanterahan'Andriamanitra io teny fikasana io - izay nohamafisina tamin'i Isaka sy i Jakoba - tamin'ny alalan'i Josefa, Mosesy, Arôna, ary tamin'ny fotoana nakana ny tany Kanana. Mitondra fanantenana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mifandimby io Salamo io, satria ny asa mahatalanjona nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa dia manome antoka ny tsy fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra ny olony amin'ny fotoana rehetra (Sal. 105:1-5,7,8).

Misy itoviany ihany ny Sal. 105 sy ny Sal. 78 (jereo ny lesona omaly) saingy tsy mitantara ny fahadisoana lasa nataon'ny vahoaka ny Sal. 105. Manan-tanjona hafa izy.

Averina ny tantara ao amin'ny Sal. 105, izay itantarana ny fiainan'ireo patriarika lehibe indrindra teo amin'ny Isiraely, ahitana ny fitondran'Andriamanitra, ary ny fiaretana sy ny faharetan'ireo patriarika ireo tao anatin'ny sarotra. Novaliana soa tokoa ny faharetana sy ny fahatokian'izy ireo. Koa manasa ny olona hanam- pinoana tahaka ny an'ny patriarika ny Sal. 105, ary koa hiandry amin-toky ny fanafahan'Andriamanitra amin'ny fotoany.

Miendrika hira ny Sal. 105 (Sal. 105:1-7), izay maneho fa mila mahafantatra ny zava-nitranga teo amin'ny tantarany ny vahoaka mba hahazoany midera an'Andriamanitra marina araka ny tokony ho izy. Sady manaporofo ny maha-marina ny finoantsika ny tantara no mampiseho koa ireo antony tsy tambo isaina tokony hiderana an'Andriamanitra.

Ambara ho taranak'i Abrahama sy taranak'i Jakoba ny mpivavaka (Sal. 105:6), ary izany dia raisina ho fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama mba hahatonga azy ho firenena lehibe (Gen. 15:3-6). Asongadin'ny mpanao Salamo mazava ny fifandraisana mitohy eo amin'ireo patriarika sy ireo taranaky ny vahoakan'Andriamanitra aty aoriana. Tsindriany tsara fa "Manerana ny tany rehetra ny fitsarany" - Sal. 105:7, ka anariny ny mpivavaka tsy hanadino fa Tompo sy Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao koa ny Andriamanitsika, ary ny olona rehetra no anehoany ny fahatsaram-pony (Sal. 96:1; Sal. 97:1). Mazava fa antso ho amin'ny fahatokiana, izay alefa amin'ny taranaka mpino rehetra izany.

Ahoana no tokony handraisantsika ny tenantsika ao anatin'io tetiarana io, izay manomboka amin'i Abrahama no ho mankaty? (Jereo ny Gal. 3:29.). Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (1)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal