Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMIRATRA AO AMIN'NY MAIZINA NY MAZAVA

Daty
Sabotsy 13 April 2024

SABATA HARIVA 13 Avrily 
Hodinihina mandritra ny herinandro : Jao. 8:44; Ohab. 23:23; Asa. 20:2732; 2 Tes. 2:7-12; Sal. 119:105,116,130,133,160; Ohab. 16:25; 2 Kôr. 4:3-6.

Tsianjery: "Dia hoy Jesôsy taminy: Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany." — Jao. 12:35. 

Ao amin'ny Apôkalipsy, boky farany ao amin'ny Baiboly, dia aseho ho toy ny dragona sy menarana ny devoly (Apôk . 12:9). Dragona izy satria maniry handringana ny vahoakan'Andriamanitra ary menarana satria mampiasa ireo lainga sy hafetsena rehetra mba hamitahana. Tamin'ireo taona nanaraka ny nahafatesan'i Kristy dia olona an'arivony no nampijalina, natsipy hoviravirain'ny Iiona ary nodoran'ny fanjakan'i Rôma teo amin'ny antontan-kitay noho ny nandavany tsy hiankohoka amin'ny "andriamaniny". Na teo anatrehan'izany famaizana mahatsiravina izany aza anefa dia maro no nitoetra ho mahatoky; niely hatrany ny Filazantsara ary nitombo ny fiangonana.

Noho izany dia nanova ny paikadiny i Satana. Mpanompo sampy maro no natao batisa kanefa tsy nahazo fampianarana mafy orina ny amin'ny fahamarinan'ny Baiboly. Nahenika ny fiangonana ny fahadisoana rehefa nampifangaro ny fahamarinan'ny Soratra Masina tamin'ny fomba amam-panaon'ny maro ireo mpitarika. Ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia vanim-potoan'ny marimaritra iraisana izay nampifangaroan'ireo mpitarika tao amin'ny fiangonana ny fanao jentilisa tamin'ny fampianarana kristianina.

Na tao anatin'ireo fotoan-tsarotra indrindra teo amin'ny fiainana aza dia niaraka tamin'ny olony mandrakariva Andriamanitra. Nahita an'i Jesôsy, Ilay "lalana sy fahamarinana ary fiainana" izy ireo; ary noho ny herin'ny Fanahy Masina dia tafajoro izy ireo na dia niatrika fanerena mafy aza mba handao ny faharesen-dahatra tao anatiny. Nitoetra ho mahatoky tamin'ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Soratra Masina izy ireo, ka niaro ny fahamarinan'ny Teniny tamin-kerim-po na teo aza ny fanerena natao taminy mivantana na ankolaka. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal