Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMITAKA I LOSIFERA - MANDRESY I KRISTY

Daty
Alatsinainy 01 April 2024

Tsy misy fanazavana mitombina ny anriin'ny antony namelan’i Losifera, ilay anjely tonga lafatra, ny avonavona sy ny fialonana hamaka tao am-pony sy ho tonga fikomiana amin’ny Mpamorona azy. Niova ho fikomiana ny avonavon’i Satana. Nampangainy ho tsy marina sy mitanila Andriamanitra. Niampita tamin’ireo anjely ny fisalasalany sy ny fanendrikendrehany.

Vakio ny Apôk. 12:4. Inona no ambaran'io andininy io momba ny fahaizan'i Satana mamitaka? Anjely firy no lavo noho ny lainga nataony momba an'Andriamanitra?

Rehefa nipoaka ny ady tany an-danitra dia tsy maintsy nisafidy ny anjely – hanaraka an’i Jesôsy ve izy ireo sa i Losifera? Nanao ahoana ny toetr’io ady tany an-danitra io? Ady ara-batana ve izany sa ady ara-kevitra sa izy roa? Tsy fantatsika ny tsipiriany saingy ara-batana ilay ady matoa “nazera" i Satana sy ny anjeliny nony farany ary “tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra" -Apôk. 12:8,9. Mazava fa misy singa azo tsapain-tanana ao amin’io ady io.

Zavatra iray no azo antoka momba ny ady tany an-danitra. Tsy maintsy nanapa-kevitra ny anjely tsirairay na hiandany amin i Kristy na tsia. Hanaraka an'iza izy ireo? Feon’iza no hohenoiny? Nifidy hankatô ireo didim-pitiavan'i Kristy ny anjely mahatoky, fa ny ampahatelon'ireo anjely kosa nihaino ny feon'i Losifera, tsy nankatô an'Andriamanitra ka veriny ny lanitra. Isika koa, amin’izao vanim-potoana sarotra amin’ny tantaran'ny tany izao. dia antsoina hisafidy na hiandany amin’i Kristy na tsia. Natao hanambara ny toerana misy antsika koa isika – na an’i Kristy na an’i Satana.

Vakio ny Gen. 2:15-17, Eks. 32:26, Jos. 24:15, 1 Mpanj. 18:20, 21, ary ny Apôk. 22:17. Inona ny foto-kevitra lehibe ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fifanandrinana lehibe?

Rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra dia nataony lalina tao an- dohantsika ny fahafahana misaina sy mandanjalanja ary misafidy. Ny tena fototry ny maha-olombelona antsika dia ny fahafahantsika manao safidy ara-pitondran- tena. Tsy milina tsy akory isika. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika eo amin ny fahafahantsika manao safidy ara-pitondran-tena sy miaina araka ireo foto-kevitra ara-panahy mandrakizay; tsy tahaka ny biby no namoronana antsika. Hatramin’ny nikomian’i Losifera tany an-danitra dia niantso ny vahoakany Andriamanitra hamaly ny fitiavany sy hankatô ny didiny amin’ny fisafidianana hanompo Azy.

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin’ilay ady niseho tany an-danitra, izay mifandray ny ady ataon’ny tenantsika manokana amin’ny ratsy? Raha azon'i Satana natao ny namitaka ireo anjely marina sy masina tany an-danitra ireo, inona no ambaran'izany momba ny fiezahany hamitaka antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal