Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRAKIZAY ROA 

Daty
Alakamisy 27 June 2024

Vakio ny 2 Kôr. 5:10; Rôm. 14:10,11 ary ny Apôk. 20:11-15. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny antony hananganana indray ny ratsy fanahy?

Mba hamahana ny olan'ny fahotana ka tsy hisehoan'ny faharatsiana intsony, dia tsy maintsy resy lahatra ny rehetra fa manao ny rariny Andriamanitra ary marina eo amin'ny lalany rehetra. Amin'ny farany, dia hilefitra ny lohalika rehetra ary hiaiky ny rariny ataon'Andriamanitra ao amin'ny fifanandrinana lehibe, eny fa na i Satana sy ireo anjely ratsy aza dia hiaiky fa tsy misy na Inona na Inona afaka manamarina ny fikomiana atao amin'Andriamanitra. Mariho izao hevitra nosoratan'i Ellen G. White izao: "Raha vantany vao nosokafana ny boky firaketana ka mitopy amin'ny ratsy fanahy ny mason'i Jesôsy , dia tsaroan'izy ireo ny fahotana rehetra nataony hatrizay. Hitany tsara ny toerana izay nivilian'ny diany hiala ny lalan'ny fahadiovana sy ny fahamasinana, hitany koa ny lalana nitondran'ny avonavony sy ny fikomiany azy handika ny lalan'Andriamanitra. Ny fakam-panahy mamitaka izay nomeny toerana tamin'ny fanaranany fo tamin'ny fahotana, ireo fitahiana nampiasaina tamin'ny tsy izy, ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra natao tsinontsinona, ireo fampitandremana nolavina, ireo onjam-pamindrampo nasesiky ny fo mafy sy tsy mibebaka hiverin-dalana izany rehetra izany dia toa voasoratra tamin'ny soratra afo avokoa. (...)

Voantso hiseho eo anatrehan'ny fitsaran'Andriamanitra avokoa ny ratsy fanahy rehetra, voampanga ho namadika ny fitondram-panjakan'ny lanitra. Tsy misy mpisolovava hiaro azy ireo; tsy manana fialan-tsiny izy; koa dia mivoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy amin'ny fahafatesana mandrakizay."- HM, tt. 693, 695.

Vakio ny Apôk. 20:9; Sal. 37:20 ary ny Mal. 3:19. Inona no hevitra ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika mikasika ny famongorana farany atao amin'ny fahotana sy ny mpanota ary ny valisoa homena ny marina?

Izao no vaovao mahafaly: haringana ao amin'ny farihy mirehitra afo i Satana sy ireo anjely ratsiny. Ho foana tanteraka ny fahotana sy ny mpanota. Araka ny Apôk. 20:10, dia ho levona sy ho ringana izy ireo fa tsy hampijaliana mandrakizay tsy akory. Ampiasaina eto ny teny hoe "mandrakizay mandrakizay." Miankina amin'ny tontolon-kevitra, ny teny hoe "mandrakizay" dia tsy midika mandrakariva hoe "tsy misy fiafarana", fa azo ilazana ny hoe "mandra-pahatanteraka ny zavatra anankiray" izany (jereo ny Eks. 21:6; 1 Sam. 1:22, 28; Joda 7; ary ny 2 Pet. 2:4-6). Ho an'ireo very, ny faharinganana fa tsy ny asa fandringanana no mandrakizay. Tsy mpampahory mandrakizay Andriamanitra.

Amin’ny farany, dia mandrakizay roa no miandry ny olona rehetra. Ny very dia handray ny "tambiny" izay sahaza ny asan’ny fahafatesana mandrakizay. Nahoana no ao amin'ny fitokiana amin'ny fahamarinan'i Jesôsy no hany fanantenana ho antsika mba tsy handraisantsika ny tambiny sahaza antsika, dia ny fahafatesana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (72)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal