Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIOMANA HO AMIN'ILAY FOTOANA

Daty
Alatsinainy 13 May 2024

Na dia nino ny fiverenan'i Kristy ara-bakiteny, hita maso, renin'ny sofina, ary be voninahitra aza ireo mpanavao fivavahana protestanta dia niova miandalana ny fahatakarana izany fahamarinana ara-Baiboly izany. Mpitory teny malaza tamin'ny taonjato faha-19 no nampianatra fa ho avy hametraka ny fanjakany eto an-tany i Kristy ary hitondra fiadanana mandritra ny 1000 taona. Nahatonga torimaso ara-panahy sy tsy firaihana amin'ny fanoloran-tena hanaraka ireo foto-kevitra ara-panahy feno fahendrena izany. Toy izany koa, tsy takatr'ireo mpianatr'i Kristy ny toetry ny fiavian'ny Mesia. Nihevitra izy ireo fa ho tonga tahaka ny jeneraly mpandresy izay hanapaka ny ziogan'ny fanandevozan'ny Romanina Izy, fa tsy tahaka Ilay hanafaka azy ireo amin'ny fanamelohana sy ny fatoran'ny fahotana. Noho izany dia tsy takatr'izy ireo ny fomba hiaviany.

Vakio ny Asa. 1:9-11; Apôk. 1:7; sy ny Mat. 24:27,30,31. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika mikasika ny fomba hiavian'ny Tompontsika?

Rehefa teraka teto an-tany tao amin'ny fihinanam-bilon'i Betlehema i Kristy, dia vitsy ihany no nahafantatra ny fiaviany. Saingy amin'ny fiaviany fanindroany dia "ny maso rehetra" no hahita Azy. Ny sofina rehetra no handre ny feon'ny trompetra amin'ny fiaviany. Hahita ny voninahiny ny olona tsirairay. Aoka isika tsy ho voafitaka. Nohazavain'ny Soratra Masina mazava tsara ireo toe-javatra manodidina ny fiaviany.

 "Ny anankiray amin'ny hafatra miezinezina sy be voninahitra indrindra ambara ao amin'ny Baiboly dia ny momba ny fiverenan'i Kristy fanindroany mba hameno ny asa lehiben'ny fanavotana. Ho an'ny zanak'Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin'ity lohasaha aloky ny fahafatesana ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin'ny teny fikasana momba ny fisehoan'llay fananganana ny maty sy fiainana, izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany no fanalahidin'ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin'ny andro izay nandiavan'ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an'i Edena, dia efa niandry ny fiavian'Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin'ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin'ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana." — HM, t. 313.

Fanaon'i Luther Warren, mpitarika iray advantista tany am-boalohany, ny milaza amin'ny tanora hoe: "Ny hany fomba hahavonona antsika ho amin'ny fiavian'i Kristy dia ny mivonona sy ny mitoetra ho vonona". Ny hafatry ny fiverenan'i Kristy tsy ho ela dia antso maika ho an'ny tsirairay avy amintsika mba handinihana ny fo sy hanaovana tombana ny fiainana ara-panahy. Antso ho amin'ny fiainam-pahamasinana izany. Eo anatrehan'ny hazavana lehiben'ny voninahitry ny fiavian'i Kristy fanindroany dia tsy tokony hisy ny tsy fahatapahan-kevitra homba ny atsy na homba ny aroa.

Vakio ny 1 Tes. 5:2-5 sy ny Heb. 9:28. Inona ny fampaherezana omen'ireo andininy ireo antsika ny amin'ny fomba hiavian'i Kristy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal