Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOMENA FAMINDRAMPO

Daty
Alatsinainy 01 July 2024

Vakio ny Asa. 15:36-39. Nahoana i Paoly no nandà an'i Jaona Marka, ary nahoana kosa i Barnabasy no namindra fo taminy?

Voalaza ao amin'ny Asa. 15:38 ny anton'ny nandavan'i Paoly ilay tovolahy. Nandao azy ireo i Marka, ary tsy nanohy ny asa misiónera. Mitombina ny fihetsik'i Paoly, na dia somary henjana aza. Ny fiainan'ny misionera, indrindra teo amin'ny tontolo fahiny, dia sarotra tokoa (ampitahao amin'ny 2 Kôr. 11:23- 28). Niankina tamin'ireo misionera namany i Paoly mba hiara-mizaka aminy ny vesatr'izany asa mafy sy toerana sarotra izany. Raha ny heviny, izay malaky miala an-daharana toy izao dia tsy mendrika ny ho isan'ireo misionera miara- mitolona mivantana amin'ny herin'ny ratsy.

Tsy niombon-kevitra taminy i Barnabasy. Nahita toetra tsara azo trandrahina tao amin'i Barnabasy izy ka tsy tiany havotsotra ilay tovolahy. Lehibe tokoa ny fifandirana teo amin'i Paoly sy i Barnabasy ny amin'i Jaona Marka, hany ka nisara-dalana izy ireo. Nifidy an'i Silasy i Paoly hiaraka aminy, ary i Barnabasy kosa nifidy an'i Marka.

Tsy hazavain'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly ny antony nifidianan'i Barnabasy an'i Marka hiaraka aminy. lo andininy io no farany miresaka momba azy roa lahy ireo ao amin'ny Asan'ny Apôstôly. Saingy ny mahaliana dia tsy io no andininy farany miresaka momba an'i Marka ao amin'ny TV.

Vakio ny Kôl. 4:10, 2 Tim. 4:11, Filem. 24, sy 1 Pet. 5:13. Inona momba an'i Marka manokana no resahin'ireo andininy ireo, izay maneho fa niova izy?

Toa nisy fiovana mahagaga nitranga tamin'i Marka. Asehon'i Paoly ao amin'ireo andininy ireo ny tombam-bidin'i Marka sy ny asany eo imasony. Nataon'i Paoly ho isan'ny mpiara-miasa aminy izy ary naniry ny hitondran'i Timoty azy (an'i Marka) hiaraka aminy. Ny Petera voalohany koa dia maneho fa manana fifandraisana ety amin'i Marka i Petera. Tany amin'ny voalohandohan'ireo taona 60 Trk no nanoratan'i Paoly sy i Petera ireo boky ireo, izany hoe 15 na 20 taona teo ho teo taorian'ilay zava-niseho tao amin'ny Asa. 15.

Saintsaino ny fotoana tsy nahombiazanao na tsy nahombiazan'ny namanao teo amin'ny fiainana ka nanomezana anareo famindrampo. Ahoana no nanovan'izany fanandramana izany anao sy ireo izay nanampy anao? Ahoana no nanovan'izany ny fomba fiasanao amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal