Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOMENA FAMINDRAMPO

Daty
Alatsinainy 01 July 2024

Vakio ny Asa. 15:36-39. Nahoana i Paoly no nandà an'i Jaona Marka, ary nahoana kosa i Barnabasy no namindra fo taminy?

Voalaza ao amin'ny Asa. 15:38 ny anton'ny nandavan'i Paoly ilay tovolahy. Nandao azy ireo i Marka, ary tsy nanohy ny asa misiónera. Mitombina ny fihetsik'i Paoly, na dia somary henjana aza. Ny fiainan'ny misionera, indrindra teo amin'ny tontolo fahiny, dia sarotra tokoa (ampitahao amin'ny 2 Kôr. 11:23- 28). Niankina tamin'ireo misionera namany i Paoly mba hiara-mizaka aminy ny vesatr'izany asa mafy sy toerana sarotra izany. Raha ny heviny, izay malaky miala an-daharana toy izao dia tsy mendrika ny ho isan'ireo misionera miara- mitolona mivantana amin'ny herin'ny ratsy.

Tsy niombon-kevitra taminy i Barnabasy. Nahita toetra tsara azo trandrahina tao amin'i Barnabasy izy ka tsy tiany havotsotra ilay tovolahy. Lehibe tokoa ny fifandirana teo amin'i Paoly sy i Barnabasy ny amin'i Jaona Marka, hany ka nisara-dalana izy ireo. Nifidy an'i Silasy i Paoly hiaraka aminy, ary i Barnabasy kosa nifidy an'i Marka.

Tsy hazavain'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly ny antony nifidianan'i Barnabasy an'i Marka hiaraka aminy. lo andininy io no farany miresaka momba azy roa lahy ireo ao amin'ny Asan'ny Apôstôly. Saingy ny mahaliana dia tsy io no andininy farany miresaka momba an'i Marka ao amin'ny TV.

Vakio ny Kôl. 4:10, 2 Tim. 4:11, Filem. 24, sy 1 Pet. 5:13. Inona momba an'i Marka manokana no resahin'ireo andininy ireo, izay maneho fa niova izy?

Toa nisy fiovana mahagaga nitranga tamin'i Marka. Asehon'i Paoly ao amin'ireo andininy ireo ny tombam-bidin'i Marka sy ny asany eo imasony. Nataon'i Paoly ho isan'ny mpiara-miasa aminy izy ary naniry ny hitondran'i Timoty azy (an'i Marka) hiaraka aminy. Ny Petera voalohany koa dia maneho fa manana fifandraisana ety amin'i Marka i Petera. Tany amin'ny voalohandohan'ireo taona 60 Trk no nanoratan'i Paoly sy i Petera ireo boky ireo, izany hoe 15 na 20 taona teo ho teo taorian'ilay zava-niseho tao amin'ny Asa. 15.

Saintsaino ny fotoana tsy nahombiazanao na tsy nahombiazan'ny namanao teo amin'ny fiainana ka nanomezana anareo famindrampo. Ahoana no nanovan'izany fanandramana izany anao sy ireo izay nanampy anao? Ahoana no nanovan'izany ny fomba fiasanao amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal