Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAFATESANA AO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

Daty
Alatsinainy 03 June 2024

Vakio ny Sal. 6:5; Sal. 115:17; 1 Mpanj. 2:10; 1 Mpanj. 11:43 ary ny 1 Mpanj. 14:20. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny toetry ny maty?

Tsy mampianatra ny amin'ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Testamenta Taloha.

Tsy mampianatra koa izany fa aorian'ny fahafatesana dia miakatra ho any amin'ny fahasambaran'ny lanitra mandrakizay ireo mpino, na aorian'ny fahafatesana dia midina any amin'ny helo izay handorana azy mandrakizay ny tsy mpino. Ampianany antsika fa torimaso ny fahafatesana. Ny bokin'ny Mpanjaka dia mampiasa ny teny hoe "Iasa nodi-mandry (matory) any amin'ny razany" mba hanondroana ny fahafatesan'ny patriarika. Ny mpanao Salamo dia miantso izany ho "torimaso fahafatesana" (Sal. 13:3, ampitahao amin'ny Sal. 90:5). Miresaka mikasika ny fahafatesana i Jôba ka milaza momba ny tsy fifohazana amin'ny torimaso (Joba 14:12). Manampy izany ny mpanao Salamo manao hoe: "Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha."- Sal. 17:15.

Rehefa resy sy rava ny tafika asirianina dia nantsoina hoe "torimaso farany" (Sal. 76:6 dikanteny CJB) ny fahafatesan'ireo miaramila. Tsy foto-kevitra ara-Baiboly mihitsy ny hevitra milaza fa ny maty dia fanahy tsy misy vatana izay mivezivezy manodidina ny velona mba hifandray amin'izy ireo, fanompoan-tsampy tsy misy fangarony izany.

Mametraka antsika ho hazan'ny famitahan'i Satana ny tsy fahatakarana ny fahamarinana momba ny maty. "Maro no hifanandrina amin'ny fanahin'ny demonia izay haka ny endriky ny havana aman-tsakaiza ary hanambara fampianaran-diso faran'izay mampidi-doza. Hanohina ny fitiavantsika mamy indrindra ireo ka hanao fahagagana hanohanany ny zavatra hihamboany. Tsy maintsy ho vonona hanohitra ireny amin'ny fahamarinan'ny Baiboly izay milaza fa ny maty tsy mahalala na inona na inona isika, koa ny angatra izany dia tsy maintsy ho fanahin'ny demonia." — HM, t. 584.

Vakio ny Dan. 12:2 sy ny Joba 19:25, 26. Inona ireo teboka momba ny toetry ny maty amplan'ireo andininy ireo?

Ny fahafatesana dia fialan-tsasatra ao amin'ny torimaso mandra-pahatonga ny fitsanganana amin'ny maty. Tsy misy ny fanahy tsy manam-batana izay mihelohelo mba hifandray amin'ny velona. Raha nino ny tontolon'ny fanahy ny mpanompo sampy, ny Isiraelita kosa dia nihevitra ny fahafatesana ho toy ny torimaso mandra-pahatonga ny marainan'ny fitsanganana amin'ny maty.

Na dia misaona ny maty aza isika dia saino ny amin'ireo maty ao amin'i Kristy: manakimpy ny masony ao amin'ny fahafatesana izy ireo ary na ahoana na ahoana halavam-potoana mandra-pahatonga ny fiavian'i Jesôsy , ny zavatra hitany manaraka dia ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Ny eritreritra voalohany mety hananan'izy ireo amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia hoe: "Tanteraka, ary tsy ela tokoa ny fiverenan'i Jesôsy!" 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal