Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAVETAVETAN'NY FANDRAVANA

Daty
Talata 03 September 2024

Vakio ny Mar. 13:14-18. Ahoana no ahafantarana ny tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe "fahavetavetan'ny fandravana"?

Tonga eo amin'ny teboka manan-danja mikasika' ny faharavan'i Jerosalema i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:14. Miresaka momba ny "fahavetavetan'ny fandravana" lzy. Nambaran'ny Tompo fa tokony hahatakatra ny mpamaky. Nampitodika ny sain'ireo mpianatra amin'ny bokin'i Daniela lzy tamin'ireo teny ireo. Hita ao amin'ny Dan. 9:27, Dan. 11:31 ary ny Dan. 12:11 mantsy ireo teny ireo, ary koa ao amin'ny Dan. 8:13.

Vakio ny Dan. 9:26,27. Iza ilay "voahosotra", ary iza ilay "mpanjaka izay ho avy"?

Ny teny hebreo hoe me'iab (Mesia amin'ny teny malagasy) no ilay "voahosotra" ao amin'ny Dan. 9:26. Rehefa halalinina tsara ny Dan. 9:24-27 dia mazava fa manondro an'i Jesôsy Kristy ilay ho avy io voahosotra io.

Iza moa ilay "mpanjaka izay. ho avy", izay mitondra fandravana ho an'ny tanànan'i Jerosalema? Ny jeneraly rômanina Titosy no nandrava ny tanàna. Toa lôjika, araka izany, raha izy no "mpanjaka izay ho avy' resahin'ny Dan. 9:26,27. Mifandray ireo olona roa ireo satria izay natao tamin'ny Mesia no niantso ny fitsarana ho amin'ilay tanàna.

Inona àry izany "fahavetavetan'ny fandravana" izay nambaran'i Jesôsy, araka ny voalazan'i Daniela, izany? Indrisy fa manam-pahaizana maro no mihevitra fa ny fandotoan'i Antiochus Epiphane ny tempoly tamin'ny taonjato faharoa TIK no tondroina amin'izany fahavetavetana izany. Tsy izany anefa no izy. Nambaran'i Jesôsy fa toe-javatra hiseho aoriany izany "fahavetavetan'ny fandravana" izany, ka tsy azo heverina ho manondro toe-javatra tamin'ny taonjato roa talohan'ny asa fanompoan'i Kristy mihitsy izany.

Tsy inona no notondroin'ny fahavetavetan'ny fandravana fa ny fananganana ny fanevan'ny Rômanina jentilisa tao Isiraely nandritra ny fanaovana fahirano an'i Jerosalema tamin'ny faramparan'ny taona 60 TrK. Izany no famantarana ny amin'ny tokony handosiran'ny Kristianina, ary nanao izany tokoa izy ireo. Tahaka izay efa nanambaran'i Jesôsy azy mialoha dia rava tokoa i Jerosalema.

Ahoana no hianarantsika mitoky Aminy sy ny Baiboly amin'ireo fanambarana mialoha rehetra voalazany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal