Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANAON'OLOMBELONA SA NY DIDIN'ANDRIAMANITRA?

Daty
Alahady 04 August 2024

Vakio ny Mar. 7:1-13. Inona ny fahamarinana manan-danja aseho eto?

Alao sary an-tsaina ny ankizy mianatra momba ity andalan-teny ity ao amin'ny Sekoly Sabata ka milaza amin-dreniny rehefa tonga any an-trano fa tsy voatery hanasa tanana izy mialoha ny hisakafoana satria izany no nambaran'i Jesôsy. Tsy mahakasika ny fahasalamana anefa ity tantara ity.

Olona maro tany amin'izany tany izany, tamin'ny andron'i Jesôsy, no sarotiny fatratra momba ny fombafomba mifandraika amin'ny fahadiovana. Niitatra tamin'ny olon-tsotra, nandritra ny vanim-potoana teo anelanelan'ireo Testamenta roa, ny fanasana tanana mba hampadio araka ny fomba, na dia natao mba hampiharin'ireo mpisorona tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha aza izany fitsipika izany tany am-piandohana (Eks. 30:17-21). Nifandraika tamin'izany fomba fijery izany ny fimonomononan'ny mpitondra fivavahana tamin'i Jesôsy mikasika ireo mpianany.

Tsy novalian'i Jesôsy teo no ho eo ny fanontaniana napetraka taminy fa niaro ireo mpianany tamin'ny valinteny roa sosona izy. Voalohany, naveriny ny teny fananarana mahery vaika nataon'i Isaia tamin'ny firenena izay manaja an'i Jehôvah amin'ny molony kanefa mampanalavitra Azy ny fony (Isa. 29:13). Manohy izany teny avy ao amin'ny Isaia izany ny fanamelohana mifandraika amin'ny fametrahana ny fombafomban'olombelona ho eo amin'ny toeran'ny didin'Andriamanitra.

Namerina indray ny teny nataon'i Isaia ny tapany faharoa tamin'ny valintenin'i Jesôsy. Naverin'ny Tompo ny didin'Andriamanitra ny amin'ny hanajana ny ray aman-dreny (Eks. 20:12); izany hoe, ny tokony hikarakarana azy ireo amin'ny fahanterany. Nampifanoheriny tamin'izany ny fombafombam-pivavahana izay nanoloran'ny olona fanatitra ho an'Andriamanitra (fanomezana, korbana), na nampiasany izany ho an'ny tenany, kanefa tsy nanaiky ny hampiasa izany ho an'ireo ray aman-dreniny efa antitra izay mahantra izy ireo. Toa azontsika an-tsaina izany tantara izany: "Miala tsiny aho ry Dada, te hanampy anao aho kanefa nomeko ny tempoly ny vola."

 Izany karazana fihatsarambeiatsihy izany no nomelohin'i Jesôsy tsy tamim-pihambahambana. Nametraka ny fomban'olombelona ho ambonin'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo, ary nanota izy tamin'izany.

Inona àry no valin'ny fanontanian'ireo Fariseo? Hita taratra tamin'ny valintenin'i Jesôsy fa tsy resy lahatra izy fa zava-dehibe araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fanasana tanana izay nampidrikina ireo Fariseo. Manohana an-karihary ny baikon'ny Lalàna ho ambonin'ny fomban'olombeiona kosa ny valinteniny. (Jereo koa ny Mar. 1:44; Mar. 7:10-13; Mar. 10:3-8; Mar. 12:26, 29-31).

Mety hanana "fombafomba" izay mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra ve isika? Raha eny, inona izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal