Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANOMBOANA TAMIN'NY HAZO FIJALIANA

Daty
Talata 17 September 2024

Vakio ny Mar. 15:21-38. Inona ny toe-javatra maneho fanesoana maharary sy mahatsiravina ao amin'ireo andalan-teny ireo?

Hatreto, ao amin'ny tantaran'ny fijalian'i Jesôsy, dia nangina hatrany Izy, teo ambany fifehezan'ireo olona izay nikendry ny hahafaty Azy. Manerana ny Filazantsara, mandra-pahatonga ny fotoana nisamborana Azy, dia nanao asa Izy; izao kosa dia nataon'ny olona Taminy izay sitraky ny fon'izy ireo. Na dia mpitoriteny mpifindrafindra izay natanjaka tokoa aza Izy teo aloha, dia torovana vokatry ny kapoka natao taminy sy ny tsy fihinanana hanina ary ny tsy fahampian-tory, ka olon-tsy fantatra iray aza no tsy maintsy nilanja ny hazo fijaliany.

Nesorina ny fitafiany teo amin'ny hazo fijaliana ka nanjary fananan'ireo miaramila izay nanao filokana mba hahazo izany (ampitahao amin'ny Sal. 22:18). Fomba famonoana ho faty tsy nampandeha ra be loatra ny fanomboana tamin'ny hazo fijaliana. Azo inoana fa nafantsika teo amin'ny hatotanana eo ambanin'ny felatanana izay tsy nisy ialan-dra lehibe mandeha ny fantsika nampiasaina mba hanatonana ny olona iray teo amin'ny hazo fijaliana (ampitahao amin'ny Jao. 20:24-29). (Amin'ny Hebreo sy Grika, ny teny hoe "tanana" dia manondro ny tanana sy ny sandry). Tsy ampy hahazaka ny lanjan'ny tena eo amin'ny hazo fijaliana ny rafitry ny felatanana. Mandai() eo amin'nylantontsandry ny oza-manetsika ny sandry ka voatsindron'ny fantsika, miteraka fanaintainana be manerana ny sandry izany. Sarotra ny fisefoana amin'izany. Mba hahafahana misefo tsara dia tsy maintsy nandroso nanohitra ny tongony voafantsika ireo homboana amin'ny hazo fijaliana ary mampiketraka ny sandriny, hirifiry tsy zaka no aterak'izany. Ny fahasemporana vokatry ny faharerahana loatra no iray amin'ireo antony mety niteraka fahafatesana tamin'izany.

Noharabirabina fatratra sy nalam-baraka i Jesôsy nandritra ny fotoana nanomboana Azy. Noho ny filazantsaran'i Marka izay nanana ny rafitry ny fanambarana sy tsiambaratelo, izay nampanginan'i Jesôsy ny olona momba ny maha-Izy Azy, dia tsy hita matetika ao amin'ny fitantarany ny anarana maha-Mpanjaka an'i Jesôsy tahaka ny hoe "Tompo", "Zanak'Andriamanitra" na "Kristy".

Niova kosa izany teo amin'ny hazo fijaliana ka tsy azo nafenina intsony. Toa mahagaga fa ireo mpitondra fivavahana indray no nampiasa ireo teny ireo hoentina hanarabiana an'i Jesôsy. Ire° olona ireo ihany no indro manameloka ny tenany!

Niavaka ny fanambarana iray nitory fanarabiana nataon'izy ireo. Hita ao amin'ny Mar. 15:31 izany, manao hoe: "Namonjy ny sasany izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena." Nambaran'izy ireo fa nanampy ny hafa Izy (azo adika hoe "mamonjy", "manasitrana", "manavotra" ny teny grika ampiasaina amin'izany) mba hanasongadinany ny tsy fahafahany nanao na inona na inona teo amin'ny hazo fijaliana. Na dia tsy fantatr'izy ireo aza dia tamin'izany no nanekeny fa Izy no Mpamonjy, ary mihoatra noho izany - ny antony tsy nahafahan'i Jesôsy namonjy ny Tenany na koa ny tsy nanaovany izany teo amin'ny hazo fijaliana dia ny namonjeny ny hafa.

Vakio ny Jao. 1:1-3, ary saintsaino ny zavatra ambaran'ireo andalan-teny ireo mikasika an'i Jesôsy, dia ilay Jesôsy izay voahombo amin'ny hazo fijaliana eto. Ahoana no hahatakarantsika ny hevitry ny fahafatesan'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal