Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA MAHATOKY NATAON'I MÖRDEKAY

Daty
Talata 19 December 2023

Noho i Môrdekay sy i Estera nonina tany amin'ny firenen-kafa, dia tsy maintsy ho tojo olana izy ireo na ho ela no ho haingana raha maniry ny hitoetra ho mahatoky amin' Andriamanitra. Azo antoka tokoa fa izany no nitranga tamin'i Môrdekay.

Vakio ny Est. 3:1-15. Inona no nitranga eto, ary inona no anton'izany?

Hitantsika ao amin'ny Est. 3 fa nanome voninahitra an'i Hamana ny mpanjaka Kzersesy (Ahasoerosy) ary nanome azy toerana ambony feno fahefana. Nomena baiko ny hiankohoka amin'i Hamana ny olon-drehetra. Saingy izao no vakintsika: "Fa Mordekay kosa tsy mbanety nandohalika na niankohoka" - Est. 3:2. Tsy omen'ny Baiboly ny antony tsy nandohalehan'i Mordekay tamin'io lehilahy io, saingy fantatsika ny anton'izany: Jiosy mahatoky izy.

Tsy tian'i Môrdekay ny hiankohoka amin'ny taranak'i Agaga, Amalekita, fahavalon'ny fireneny hatramin'ny fotoam-panafahana tany Egipta (Deo. 25:19). Ahoana no handohalehan'ny Jiosy mahatoky iray eo anoloan'ny Amalekita? Ahoana no hiankohofany amin'olona hafa, afa-tsy amin' Andriamanitra ihany?

"Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana hianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?" - Est. 3:3. Na dia tsy haintsika an- tsipiriany aza ny fomba namaliany izany, dia ambaran'ny andininy manaraka fa "efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy"-Est. 3:4. Ao amin'io valinteny io, dia azo antoka fa nanana fotoana hanazavana i Môrdekay fa amin'ny maha mpivavaka amin' Andriamanitra izay namorona ny lanitra sy ny tany azy dia tsy afaka ny hiankohoka amin'ny olombelona mpanota izy. Tsy isalasalana fa amin'ny lafiny iray dia afaka nijoro ho vavolombelona ny amin'ny finoany i Mördekay, finoana izay nifikirany mafy ka nampidi-doza azy, ary indrisy fa nampidi-doza ny hafa koa.

"Fahazavana lehibe no namirapiratra avy tamin'i Daniela sy ireo namany ary i Môrdekay, teo anivon'ny haizina ara- pitondran-tena nanjaka tao amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Babilôna." -ARSH, 13 Mey, 1884.
Raha naniry ny hamotika ireo vahoaka jiosy i Hamana dia izao no nolazainy momba azy ireo: "Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalana noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankato ny lalàn'ny mpanjaka" Est. 3:8. Vahoaka izay tsy mitovy fomba amam-panao ary tsy mankato ny lalan'ny mpanjaka hoe? Antony tonga lafatra hahatonga fanenjehana izany.

Amin'ny fomba ahoana, na dia amin'izao fotoana izao aza, no mety hitsapana antsika tahaka an'i Môrdekay? Ahoana no tokony hataontsika eo anatrehan'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal