Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA MAHATOKY NATAON'I MÖRDEKAY

Daty
Talata 19 December 2023

Noho i Môrdekay sy i Estera nonina tany amin'ny firenen-kafa, dia tsy maintsy ho tojo olana izy ireo na ho ela no ho haingana raha maniry ny hitoetra ho mahatoky amin' Andriamanitra. Azo antoka tokoa fa izany no nitranga tamin'i Môrdekay.

Vakio ny Est. 3:1-15. Inona no nitranga eto, ary inona no anton'izany?

Hitantsika ao amin'ny Est. 3 fa nanome voninahitra an'i Hamana ny mpanjaka Kzersesy (Ahasoerosy) ary nanome azy toerana ambony feno fahefana. Nomena baiko ny hiankohoka amin'i Hamana ny olon-drehetra. Saingy izao no vakintsika: "Fa Mordekay kosa tsy mbanety nandohalika na niankohoka" - Est. 3:2. Tsy omen'ny Baiboly ny antony tsy nandohalehan'i Mordekay tamin'io lehilahy io, saingy fantatsika ny anton'izany: Jiosy mahatoky izy.

Tsy tian'i Môrdekay ny hiankohoka amin'ny taranak'i Agaga, Amalekita, fahavalon'ny fireneny hatramin'ny fotoam-panafahana tany Egipta (Deo. 25:19). Ahoana no handohalehan'ny Jiosy mahatoky iray eo anoloan'ny Amalekita? Ahoana no hiankohofany amin'olona hafa, afa-tsy amin' Andriamanitra ihany?

"Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana hianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?" - Est. 3:3. Na dia tsy haintsika an- tsipiriany aza ny fomba namaliany izany, dia ambaran'ny andininy manaraka fa "efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy"-Est. 3:4. Ao amin'io valinteny io, dia azo antoka fa nanana fotoana hanazavana i Môrdekay fa amin'ny maha mpivavaka amin' Andriamanitra izay namorona ny lanitra sy ny tany azy dia tsy afaka ny hiankohoka amin'ny olombelona mpanota izy. Tsy isalasalana fa amin'ny lafiny iray dia afaka nijoro ho vavolombelona ny amin'ny finoany i Mördekay, finoana izay nifikirany mafy ka nampidi-doza azy, ary indrisy fa nampidi-doza ny hafa koa.

"Fahazavana lehibe no namirapiratra avy tamin'i Daniela sy ireo namany ary i Môrdekay, teo anivon'ny haizina ara- pitondran-tena nanjaka tao amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Babilôna." -ARSH, 13 Mey, 1884.
Raha naniry ny hamotika ireo vahoaka jiosy i Hamana dia izao no nolazainy momba azy ireo: "Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalana noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankato ny lalàn'ny mpanjaka" Est. 3:8. Vahoaka izay tsy mitovy fomba amam-panao ary tsy mankato ny lalan'ny mpanjaka hoe? Antony tonga lafatra hahatonga fanenjehana izany.

Amin'ny fomba ahoana, na dia amin'izao fotoana izao aza, no mety hitsapana antsika tahaka an'i Môrdekay? Ahoana no tokony hataontsika eo anatrehan'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal