Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILAZANTSARA NOTORIN'I JESÔSY

Daty
Alakamisy 04 July 2024

Vakio ny Mar. 1:14, 15. Inona ireo fizarana telo ao amin'ny hafatry ny filazantsara notorin'i Jesôsy ?

Fintinin'i Marka toy izao ny hafatra nentin'i Jesôsy, İzay tsotra sy mivantana:

Fizarana                                                                               Hafatra 

Fotoana ara-paminaniana                    Efa tonga ny fotoana.

Teny fikasan'ny fanekena                     Efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra.

 Antso ho tonga mpianatra                  Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. 

Ny fotoana ara-paminaniana resahin'i Jesôsy eto dia ny amin'ny 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27. Tanteraka teo amin'ny batisan'i Jesôsy io faminaniana io, izay nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina sy nanombohany ny asany (Asa. 10:38). Aseho eto amin'ity kisary manaraka ity io faminaniana mahagaga momba ny 70 herinandro io:

Image removed.

Ny andro iray dia taona iray ao amin'ny faminaniana (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Nanomboka tamin'ny taona 457 TIK ny faminaniana, niaraka tamin'ny didy navoakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, momba ny famitana ny asa fanamboarana an'i Jerosalema (jereo ny Ezra 7).

Tonga hatreo amin'ny taona 27 Trk ireo 69 herinandro ara-paminaniana; io no fotoana nanaovana batisa an'i Jesôsy ka nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina hanombohany ny asany. Telo taona sy tapany taorian'io no nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana.

Farany, tonga tamin'ny fahafenoany ny 70 herinandro tamin'ny taona 34 TrK, rehefa notoraham-bato i Stefana, ka nanomboka nitodika tany amin'ny Jentilisa, sy ny Jiosy koa, ny fitoriana ny hafatry ny Filazantsara.

Oviana ny nandinihanao farany ny faminaniana momba ny 70 herinandro? Raha takatrao izany, ahoana no ampitomboan'izany ny finoanao, tsy ny finoanao an'i Jesôsy ihany fa ny maha-azo antoka ny teny faminaniana koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal