Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY KINTAN'NY MARAINAN’NY FANAVAOZANA ARA-PIVAVAHANA 

Daty
Alarobia 24 April 2024

Vakio ny Sal. 19:7-11, Sal. 119:140, Sal. 119:162, ary ny Jer. 15:16. Inona ny toe-tsaina mitovy nananan'i Davida sy i Jeremia momba ny Tenin'Andriamanitra, toe-tsaina izay vato fehizoron'ny Fanavaozana ara-pivavahana?

"Faly" tamin'ny Tenin'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana tsirairay. "Faly" izy ireo tamin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. "Tiany" ny lalany. !ray amin'ireo fahamarinana fototra manan-danja indrindra amin'ny Fanavaozana ara-pivavahana ny fifaliana nentin'ny fandinihana ny Soratra Masina. Tsy asa mahasasatra tsy akory ny fandinihana ny Baiboly; tsy fandalan-dalana ho fitadiavam-pamonjena koa izany. Tsy fitakiana henjana izany fa fahafinaretana.

Raha nandinika ny Soratra Masina izy ireo dia novan'ny herin'ny Fanahy Masina. "Ny toetra amam-panahin'i Wiclef dia vavolombelon'ny herin'ny Soratra Masina manabe sy manova. Ny Baiboly no nahatonga azy araka izay maha-izy azy. Ny fiezahany hamikitra ireo fahamarinana lehibe tao amin'ny fanambarana dia nanome hery vaovao sy tanjaka ny fahaizany rehetra. Nanitatra ny sainy izany, nampaharanitra azy, ary nahamatotra ny fahaizany mandanjalanja. Ny fianarana ny Baiboly dia hanandratra ny eritreritra rehetra, ny faniriana rehetra sy ny fihetseham-po rehetra mihoatra noho ny fianarana hafa atao. Mampitoetra tsara ny fikasana izany, manome faharetana, herim-po sy fihafiana; manamboatra ny toetra izany ary manamasina ny fanahy. Ny fianarana ny Soratra Masina amim-pahazotoana sy amim-panajana dia hitondra ny sain'ny mpianatra hifandray mivantana amin'ilay saina tsy voafetra, ka hanome olona, ho an'izao tontolo izao, manana saina mihamatanjaka sy miasa bebe kokoa hatrany, sy foto-kevitra ambony kokoa hatrany, mihoatra izay tsy mbola hita ho vokatry ny fitaizana havanana indrindra natolotty ny hevi-tsain'ny olombelona." — HM, t. 94

Vakio ny 2 Tim. 2:1-3. Inona ny torohevitra nomen'i Paoly apôstôly an'i Timoty momba ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra?

Nameno ny fon'ireo mpanavao fivavahana tanteraka ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fifaliana ny amin'ny famonjena ao amin'i Kristy ka tsy hain'izy ireo ny tsy hizara izany. Nandany ny fiainany tamin'ny fandikana ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny terry anglisy i John Wycliffe noho ny antony roa ihany: nanova azy tamin'ny alalan'ny Teny i Kristy velona ary ny fitiavan'i Kristy no nandrisika azy hizara izay voarainy tamin'ny hafa.

Talohan'i Wycliffe dia vitsy dia vitsy ny andinin-tSoratra Masina nisy tamin'ny terry anglisy. Na dia maty talohan'ny nahatraran'i Roma azy aza izy dia nofongarin'ny fitondrana papaly ny nofony ka nodorana ary natsipy terry amin'ny renirano ny lavenony. Saingy tahaka ny nanapariahan'ny rano ireo lavenona ireo no nielezan'ny Tenin'Andriamanitra, ilay ranon'aina, lavitra vokatry ny asa nataony. (zany fomba izany no nampiasan'Andriamanitra azy — "Ilay Kintan'ny Marainan'ny Fanavaozana ara-pivavahana."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal