Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny salamo teo amin'ny fanompoam-pivavahana ny Isiraely fahiny

Daty
Alahady 31 December 2023

Vakio ny 1 Tant. 16:7; Neh. 12:8; Sal. 18:1; Sal. 30:1; Sal. 92:1; Sal. 95:2; Sal. 105:2; Kôl. 3:16 ary ny Jak. 5:13. Inona avy ireo toe-javatra izay nahatonga ny fanoratana ny Salamo? Oviana no nampiasan’ny vahoakan’ Andriamanitra ny Salamo?

Nosoratana mba hampiasaina amin’ny fivavahana manokana na amin’ny fiaraha-mivavaka ny Salamo. Nohiraina nandritra ny fanompoam-pivavahana tany amin’ny tempoly izany, araka ny lahatsoratra momba ny hira izay miresaka mikasika ny zava-maneno (Sal. 61:1), sy ny feon-kira (Sal. 9:1) ary ny mpiventy hira (Sal. 8:1).

Ao amin’ny Baiboly hebreo, ny anarana iantsoana ny bokin’ny Salamo, tehilim, “fiderana”, dia maneho ny tanjony: ny fiderana an’Andriamanitra.

Ampahany nanan-danja tao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely fahiny ny Salamo. Nampiasaina tamin’ny fitokanana ny tempoly ohatra izany, nampiasaina koa nandritra ireo andro firavoravoana ara-pivavahana, nandritra ny diabe, ary tamin’ny fotoana nametrahana ny fiaran’ny fanekena tany Jerosalema.

Ny “fihirana fiakarana" (Sal. 120-134), izay fantatra ihany koa amin’ny hoe hiran’ny fivahiniana, dia nohiraina nandritra ny dia nankanesana tany Jerosalema tamin’ireo andro firavoravoana telo lehibe (Eks. 23:14-17). Nohiraina nandritra ireo andro firavoravoana telo lehibe fanao isan-taona ny “Hallel egiptianina” (Sal. 113-118) sy ny “Hallel” lehibe (Sal. 136); anisan’ireo andro firavoravoana ireo ny voaloham-bolana sy ny fanokanana ny tempoly. Nanana anjara toerana lehibe tao anatin’ny fanompoam-pivavahan’ny Paska ny "Hallel egiptianina”. Nohiraina tamin’ny fanombohan’ny fisakafoana tamin’ny Paska ny Sal. 113 sy 114, ary ny Sal. 115-118 no nohiraina tamin’ny fiafaran’izany (Mat. 26:30). Ny “Hallel fanao isan’andro” kosa (Sal. 145-150) dia nampidirina tao amin’ny vavaka isan’andro nandritra ny fanompoam-pivavahana maraina tao amin’ny synagoga.

Tsy nanaraka ny olona tamin’ny fanompoam-pivavahana nataony fotsiny ny Salamo fa nanoro lalana azy koa ny amin’izay fomba tokony hiankohofany amin’Andriamanitra tao amin’ny fitoerana masina. Ny teny ao amin’ny Sal. 22 no nentin’i Jesôsy nivavaka (Mat. 27:46). Nanana toerana manan-danja teo amin’ny fiainan’ny fiangonana voalohany koa ny Salamo (Kôl. 3:16; Efes. 5:19).

Marina tokca fa tsy mivavaka amin’Andriamanitra ao amin’ny fitoerana masina tety an-tany tahaka ny tempoly isika; na izany aza, ahoana no ampiasantsika ny Salamo eo amin'ny fiankohofantsika, na ataontsika any amin’ny mangingina izany na iarahantsika amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal