Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ORANA SY NY FARA-ORANA

Daty
Alarobia 19 June 2024

Vakio ny Joe. 2:21-24 sy ny Asa. 2:1-4, 41-47. Inona ny faminaniana tanteraka tamin'ny taonjato voalohany? Inona ny fiantraikan’izany?

Ny firotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekôsta no nanome hery lehibe ny fiangonana kristianina. Telo arivo no niova fo tao anatin'ny iray andro. Voarakitra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly ny fahagagana nifanesy nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra izay manova: "maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy."- Asa. 4:4. Mpino 120 monja no niangona mba hivavaka, kanefa fiovana mahagaga no nateraky ny vavaka. Haingana dia haingana no niampian'ireo mpino an'arivony. Na ireo mpisorona aza dia marobe (...) nanaiky ny finoana"- Asa. 6:7. Rehefa nivaivay ny fanenjehana ireo mpianatra tany Jerosalema, dia niely izy ireo ka "nandeha nitory teny tontolo eny'- Asa. 8:4. Natsangana nanerana an'i Jodia sy Samaria ary Galilia ny fiangonana marobe (jereo ny Asa. 9:31). Taorian'ny fiovam-pony, dia nitory an'i Kristy nanerana ny faritr'i Mediteranea i Paoly apôstôly. Nanao izao fanambarana mahagaga izao ireo Jiosy izay nanohitra ny Filazantsara tao Tesalônika: "Tonga aty koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo"- Asa. 17:6. Tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina no nanatraran'ny mpianatra an'izao tontolo izao tamin'izany andro izany, tao anatin'ny fotoana fohy monja. Tanteraka tamin'ny Pentekosta ny faminanian'i Joela mikasika ny loha-orana, fa ny fara-orana kosa dia hilatsaka amin-kery lehibe mba hanomanana ny fijinjana farany eto an-tany.

Vakio ny Zak. 4:6; Zak. 10:1; Hôs. 6:3 ary ny Jak. 5:7,8. Araka izay ambaran'ireo toko sy andininy ireo, ahoana ny fomba hamitana ny asan'Andriamanitra?

Nalaina tamin'ny tsingerim-pambolen'ny Isiraely ny teny hoe "Ioha-orana" sy "fara-orana." Nilatsaka tamin'ny lohataona ny loha-orana izay nampitsimoka ny voa. Ary ny fara-orana kosa nilatsaka tamin'ny lohataona mba haha-masaka ny vokatra. Manoritsoritra ny asan’ny Fanahy Masina eo amin'ny fitoriana ny filazantsara izany. "Tahaka ny nanomezana ny `ranonorana aloha', tamin'ny nirotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny nisokafan'ny fitoriana ny filazantsara, mba hampitsimoka ny voa sarobidy, dia toy izany koa no hanomezana ny `ranonorana aoriana' amin'ny famaranana ny fitoriana ny filazantsara mba hanamasaka ny voa hojinjaina. (...) Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany. lreo faminaniana izay tanteraka tamin'ny nirotsahan'ny ranonorana voalohany tamin'ny fiandohan'ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin'ny fiafaran'izany amin'ny ranonorana farany."- HM,  t. 637. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal