Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Salamo maneho hakiviana

Daty
Talata 09 January 2024

Mahatonga ny mpivavaka hanana fahalalahana ao anatin'ny vavaka tononiny ny fanaovana ny Salamo ho tonom-bavaka, kanefa mihoatra noho zany. Manitsy ny fanandraman'izy ireo hifanaraka amin'ny fenitr Andriamanitra ny Salamo, ary amin'ny alalan'ny fitondran'izany fanantenana sy toky ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, dia manjary mora zakaina izany fanandramana izany.

Vakio ny Sal. 22. Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'io salamo io momba ny fitokiana amin Andriamanitra na ao anatin'ny fahoriana lehibe aza?

Mety hanampy ny olona mijaly haneho ny alahelony sy ny fahatsapany ho manirery ny teny fitarainana ao amin'ny Sal. 22:1: "Andriamanitro 6, Andriamanitro 6, nahoana no nahafoy ahy ianao? Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahy sady tsy mihaino ny fitarainako?" (DIEM).

Marina tokoa fa nanjary nahazatra antsika Kristianina ireo teny ireo satria teny nataon'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana, izay maneho amintsika fa nanan-danja lehibe teo amin'ny fanandraman'i Kristy ny Salamo (jereo ny Mat. 27:46).

Kanefa eo anivon'izany fahoriana sy fitsapana izany dia misy ireto teny ircto koa: "Hitory ny anaranao amin'ny rahaiahiko aho, eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao."- Sal. 22:22.

Izany hoe, na mifanipaka tanteraka amin'ny olana lehibe atrehin'ilay mpanoratra aza ireo teny ireo, dia mbola asehon'ilay mpanao Salamo ihany ny finoany an'Andriamanitra fa na inona na inona mitranga dia mbola hidera an'Andriamanitra ihany izy.

Izany hoe, ny tonom-bavaka omen'ny Salamo antsika dia mampianatra artsika hijery ankoatra ny too-javatra iainantsika ankehitriny, sy hahita amin'ny alalan'ny finoana ny fotoana izay hamerenana amin'ny laoniny ny fiainantsika noho ny fahasoavan'Andriamanitra.

Dia toy izany no itondran'ny Salamo ny mpivavaka ho amin'ny fomba fijery vaovao. Mamela ny mpivavaka haneho ny fihetseham-pony sy ny fiheverany ny mpanao Salamo, kanefa tsy mamela azy ireo hitoetra eo amin'ny tcerana misy azy. Voatarika hiala amin'ny vesa-pahoriany, ny fahadisoam-panantenany, ny hatezerany, ary ny hakiviany ny mpivavaka, ho amin'ny fitokiana amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra lainany.

Miainga amin'ny fitarainana mankamin'ny fiderana ny ankamaroan'ny Salamo, izay manambara ny fiovana ara-panahy andalovan'ny mpívavaka rehefa mandray ny fahasoavan'Andriamanitra sy faherezana izy ao anatin'ny vavaka.

Ahoana no hianarantsika mijery any ankoatra ny zava-tsarotra manjo antsika ankehitriny, ka hahaizantsika mitoky amin'Andriamanitra na inona na inona atrehintsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal