Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TAFIDITRA NY PLANETA TANY

Daty
Talata 02 April 2024

Raha namorona ny tany Andriamanitra dia nataony tonga lafatra izany. Ny Baiboly dia milaza fa “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” – Gen. 1:31. Tsy nisy pentim-pahotana na ratsy, na taiza na taiza. Kanefa nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva koa ny fahafaha- misafidy, tahaka izay nomeny an’i Losifera. Tsy te hanana milina eto an-tany Andriamanitra, toy ny tsy naniriany hanana milina tany an-danitra.

Raha ny marina, nanao izay hahatonga izany fahafahana izany ho hita mazava Izy. Namboly hazo tao amin’ny saha Izy, izay nantsoiny hoe hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nohazavainy tsara tamin’izy ireo ny momba izany satria tiany ho azo antoka fa fantatr’izy ireo ny fananany safidy.

Nanatona ilay hazo i Satana ary raha nitaredretra teo i Eva dia izao no nolazainy taminy: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka anAndriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy”– Gen. 3:4,5. Raha mihinana io hazo io ianao dia hiditra amin’ny tontolom-piainana vaovao. Hanana fientanentanana ianao. Hahalala fientanentanana izay tsy mbola fantatrao hatrizay ianao. Ry Eva, manafin-javatra aminao Andriamanitra. Raiso ilay voankazo voarara ka hano.

Rehefa nanao izany safidy izany i Eva, ary avy eo i Adama, dia nanokatra varavarana izay nirin'Andriamanitra hakatona mandrakizay izy ireo. Varavaran'ny fahotana izany, ny varavaran'ny fijaliana, ratram-po, nyaretinasynyfahafatesana.

Vakio ny Gen. 3:1-3 sy ny Rôm. 3:23 ary ny Rôm. 5:12. Inona no iraisan’ireo andininy ireo? Lazao ny vokatra faratampon'ny fahotana izay namely ny taranak'olombelona manontolo.

Raha ny maha-izy azy nojerena ny fahotana dia fikomiana amin'Andriamanitra. Mitarika ho amin’ny fisarahana amin’Andriamanitra izany. Ary satria loharanon'ny fiainana Andriamanitra, dia mitarika ho amin’ny fahafatesana ny fisarahana amin’Andriamanitra. Mahatonga horohoro, tebiteby, ary aretina koa izany. Raha ny marina, ny fijaliana eto amin’ity tontolontsika ity dia vokatry ny fiainana eo amin’ny planeta ravan’ny fahotana. Tsy midika tsy akory izany fa isaky ny mijaly na marary isika dia satria avy nanota. Midika kosa izany fa ny tsirairay avy amintsika dia tratry ny vokatry ny fiainana eto amin’ny planeta izay simban’ny fahotana.

Vakio ny Gen. 3:15: Lev. 5:5,6; ary ny Jao. 1:29. Inona ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha taorian’ny nanotan’izy ireo, mba hanomezana azy ireo fanantenana tao anatin’ny fahamelohany sy ny fahadisoam-panantenany? Inona ny asa natombok'Andriamanitra tao Edena, izay nanondro azy ireo ny vahaolan’ny fahotana ho amin’ny taonjato rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal