Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TONGA NY FITSARANA

Daty
Talata 21 May 2024

Ampitahao amin'ny Apôk. 14:6,7 ny Dan. 7:9,10. Inona ny fitoviana hita eo amin'Ireo andininy roa ireo?

Lohahevitra mibahan-toerana ao amin'ny Baiboly ny fitsarana. "Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy"- Mpitt. 12:14. Nampitodika ny sain'ny mpihaino azy ho amin'ny vanim-potoan'ny fitsarana ho avy i Jesosy, rehefa "hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony' - Mat. 12:36. I Paoly Apôstôly dia nanampy hoe Andriamanitra "hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo"- 1 Kôr. 4:5. Izao no nolazain'ilay anjely mpitondra hafatra tamin'i Jaona: "tonga ny andro fitsarany"(Apôk. 14:7).

Vakio ny Apôk . 22:10-12. Rehefa hiverina i Jesôsy dia inona no ho anjaran'ny olombelona rehetra? Inona ny fanambarana mazava natao tamin'i Jaona?

Satria tonga hizara ny valin'asa farany i Kristy dia tsy maintsy hisy fitsarana mialoha izany, mba hanehoana ny tsirairay handray ny valin'asany avy, amin'ny Fiaviany. Rehefa ho avy i Kristy dia tsy misy fotoana fanararaotra fanindroany intsony. Efa nandray fahalalana ampy handraisana fanapahan-kevitra farany sy tsy azo ivalozana ny olona tsirairay, na hiandany amin'i Kristy na tsia.

Vakio ny Mat. 25:1-13. Nahoana i Jesôsy  no manana fifandraisana samy hafa tanteraka amin'ireo vondron'ny mpino roa ireo?

"Rehefa hifarana ny asa famotopotorana, rehefa voadinika sy tapaka ny momba an'ireo nisora-tena ho mpanaraka an'i Kristy mandritra ny taonjato nifandimby, amin'izay, ary, amin'izay ihany, vao mifarana ny androm-pahasoavana ka hikatona ny varavaram-pamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe: `ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana' izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin'ny asa fanompoana farany ataonlny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin'ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona." - HM, t. 442.

Tsy tokony hatahotra ny fitsarana isika. Amin'ny alalan'i Kristy no ahazoantsika famelan-keloka, afaka amin'ny fanamelohana isika, manana hery hiaina fiainana araka an'Andriamanitra ary manana ny fandresena farany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal