Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TONGA NY FITSARANA

Daty
Talata 21 May 2024

Ampitahao amin'ny Apôk. 14:6,7 ny Dan. 7:9,10. Inona ny fitoviana hita eo amin'Ireo andininy roa ireo?

Lohahevitra mibahan-toerana ao amin'ny Baiboly ny fitsarana. "Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy"- Mpitt. 12:14. Nampitodika ny sain'ny mpihaino azy ho amin'ny vanim-potoan'ny fitsarana ho avy i Jesosy, rehefa "hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony' - Mat. 12:36. I Paoly Apôstôly dia nanampy hoe Andriamanitra "hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo"- 1 Kôr. 4:5. Izao no nolazain'ilay anjely mpitondra hafatra tamin'i Jaona: "tonga ny andro fitsarany"(Apôk. 14:7).

Vakio ny Apôk . 22:10-12. Rehefa hiverina i Jesôsy dia inona no ho anjaran'ny olombelona rehetra? Inona ny fanambarana mazava natao tamin'i Jaona?

Satria tonga hizara ny valin'asa farany i Kristy dia tsy maintsy hisy fitsarana mialoha izany, mba hanehoana ny tsirairay handray ny valin'asany avy, amin'ny Fiaviany. Rehefa ho avy i Kristy dia tsy misy fotoana fanararaotra fanindroany intsony. Efa nandray fahalalana ampy handraisana fanapahan-kevitra farany sy tsy azo ivalozana ny olona tsirairay, na hiandany amin'i Kristy na tsia.

Vakio ny Mat. 25:1-13. Nahoana i Jesôsy  no manana fifandraisana samy hafa tanteraka amin'ireo vondron'ny mpino roa ireo?

"Rehefa hifarana ny asa famotopotorana, rehefa voadinika sy tapaka ny momba an'ireo nisora-tena ho mpanaraka an'i Kristy mandritra ny taonjato nifandimby, amin'izay, ary, amin'izay ihany, vao mifarana ny androm-pahasoavana ka hikatona ny varavaram-pamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe: `ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana' izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin'ny asa fanompoana farany ataonlny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin'ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona." - HM, t. 442.

Tsy tokony hatahotra ny fitsarana isika. Amin'ny alalan'i Kristy no ahazoantsika famelan-keloka, afaka amin'ny fanamelohana isika, manana hery hiaina fiainana araka an'Andriamanitra ary manana ny fandresena farany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (37)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal