Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka avy amin'ny tsindrimandry

Daty
Alarobia 03 January 2024

Vakio ny 2 Sam. 23:1,2 sy ny Rôm. 8:26,27. Inona no ampianarin ireo toko sy andininy ireo antsika mikasika ny vavaka?

Vavaka avy amin'ny tsindrimandrin Andriamanitra sy fiderana ataon'ny Isiraely ny Salamo, koa ny feo avy amin’Andriamanitra sy ny feon’ny olony no miharo ao amin’izany. Maneho ny fanandraman’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra ny Salamo.

Mivantana ny fomba firesahan’ny mpanao Salamo amin’Andriamanitra, toy ny hoe “Andriamanitro” sy “Andriamanitroo” ary “Mpanjakako” (Sal. 5:2; Sal. 84:3). Matetika ny mpanao Salamo no mitalaho amin’Andriamanitra hoe: “henoy ny teniko” (Sal. 5:1), “mihainoa ny fitarainako” (Sal. 39:12), “Jereo" (Sal. 25:18), “faingàna hamaly ahy (Sal. 102:2), ary “afaho ny fanahiko” (Sal. 6:4). Maneho mazava ny fivavahan'ny olona iray amin’Andriamanitra ireo fomba fiteny ireo.

Ny hakanto sy ny rafitra maninton’ny Salamo amin’ny maha-vavaka sy fiderana azy dia ahitana taratra ny maha-tenin’Andriamanitra izany, izay miseho amin’ny endriky ny vavaka mafana sy ny fiderana ataon’ny mpino. Araka izany, ny Salamo dia manome fotoana isian’ny fifandraisana ety ho an'ny zanak'Andriamanitra, tahaka izay voaresaka ao amin’ny Rôm. 8:26,27: “Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala ny hevitry ny Fanahy, satria araka anAndriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.”

Namerina ireo teny ao amin'ny Salamo koa i Jesôsy, tahaka izay hita ao amin'ny Lio. 20:42,43, izay namerenany mivantana ny Sal. 110:1: “Fa Davida ihany no milaza eo amin’ny bokin’ny Salamo/Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko/Mipetraha eo an-tànako ankavanana/ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ny tongotrao.”

Na dia nateraky ny toe-javatra manokana ara-tantara sy ny fanandraman’ny mpanao Salamo mihitsy aza ny Salamo sasany, ary koa vokatry ny fanandraman’ny firenen’i Isiraely, dia miresaka toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainana ny hevitra lalina ara-panahin’ny Salamo ary mihoatra ny sakana ara-kolontsaina sy ara- pivavahana, ara-poko sy ny fefin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa mamaky ny Salamo ianao dia hahita ny fanehoany fanantenana, fiderana, tahotra, hatezerana, alahelo sy fahoriana, fihetsehampo izay iainan’ny olona any amin’ny toerana rehetra sy amin’ny vanim-potoana rehetra ary amin’ny toe-javatra rehetra. Miantefa amintsika mivantana ireny, ary mahalaza tsara ny fanandramana iainantsika.

Nampiasa ny Salamo i Jesôsy. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny lanjan'ireny eo amin'ny fanandraman’ny finoantsika manokana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal