Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VOARON'NY TENY

Daty
Talata 16 April 2024

Ampitahao ny Jao. 17:15-17 sy ny Asa. 20:32. Inona ny fanazavana omen'i Jesôsy sy i Paoly apostôly antsika momba ny fiarovana amin'ny famitahan'i Satana?

Fanambarana tsy mety diso ny sitrapon'Andriamanitra ny Baiboly. Maneho ny drafitry ny lanitra ho famonjena ny olombelona izany. Ny "soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra" mantsy dia "mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana" - 2 Tim. 3:16 . Izany hoe "ny Soratra Masina rehetra" dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra fa tsy ny ampahany fotsiny, na koa misy ampahany sasany ambony noho ny ampahany hafa. Tsy maintsy hekena ho Tenin'Andriamanitra ny Baiboly manontolo. Raha tsy izany dia hivoha midanadana ny varavarana hidiran'ny famitahana.

Ny Baiboly dia manambara mazava ny fitiavan'Andriamanitra tsy misy fetra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe. Mampiharihary ireo laingan'i Satana izany ary manambara ny famitahany. Halan'ny devoly ny Tenin'Andriamanitra ary ataony amin'ny fomba sy fotoana rehetra izay hanafoanana ny heriny.

Inona rahateo moa no ho fantatsika momba ny drafi-panavotana raha tsy misy ny Baiboly? Hatraiza no mety ho fahatakarantsika  momba ny fahaterahana, ny fiainana, ny fampianarana ary ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy ? Raha tsy misy ny Soratra Masina, azontsika atao ve ny hanomboka hahatakatra ny halehiben'ny sorona nataon'i Kristy, ny voninahitry ny fitsanganany tamin'ny maty, ny herin'ny fanelanelanana ataony sy ny fiezinezin'ny fiverenany fanindroany? Ireo fahamarinana lehibe rehetra ireo dia ambara, ampianarina ary asongadina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. lo Tenin'Andriamanitra io irery ihany no tokony ho fenitra farany sy ambony indrindra, hahazoana mahatakatra ny fahamarinana masina rehetra. Noho izany dia tokony hotoherintsika izay mety ho fiezahana rehetra hanambany ny fahefany (fahefan'ny Baiboly) na ny maha-avy amin'Andriamanitra azy, eny, na dia izay milaza ho manam-pitiavana fatratra ny Baiboly aza, kanefa mametraka fisalasalana momba izany, na ankolaka aza. Indrisy fa teolojianina sy kristianina maro no mifantoka loatra amin'ny lafiny maha-olombelona ao amin'ny Soratra Masina, indrindra vokatry ny fisainana môderina, ka tonga tenin'olombelona ny Baiboly raha tokony ho Tenin'Andriamanitra. "Ny Baiboly", hoy izy ireo, "dia nosoratana mpanjaka, mpiandry ondry, mpanjono, mpisorona, mpanao tononkalo sy olona maro hafa, izay niezaka nizara, araka ny fahatakarany azy, ny heviny sy fahazoany ny mikasika an'Andriamanitra tamin'ny androny sy ny toerana nisy azy."

Tena izany tokoa ve? Raha marina izany, nahoana isika izay miaina amin'izao fotoana izao, taonjato faha-21, no hihevitra fatratra ny amin'izay eritreretin'ireo olona ireo, na koa aza, hanao izany eritreriny izany ho fototry ny fanantenantsika ny mandrakizay? 
Tsy tokony hanao izany isika, raha izany no izy.

Vakio ny Sal. 119:105,116,130,133, sy ny 160. Inona ny fanazavana omen'ny mpanao Salamo antsika mikasika ny maha-zava-dehibe ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny drafi-pamonjena? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal