Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanoloran-tena feno 

Daty
Zoma 13 September 2024

"Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko, fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20. 

Mofon’aina:
Tsy handray zavatra latsaky ny fanoloran-tena tanteraka tsy misy fepetra Andriamanitra. Ny Kristianina mpanota, manana fo mizarazara dia tsy mba hiditra ny lanitra na oviana na oviana. Tsy hahita fifaliana any izy ireo (...).

Ny Kristianina marina dia mano-katra ny varavarankelin'ny fanahiny ho an'ny lanitra. Miara-miaina amin'i Kristy izy. Mifanaraka amin'ny sitrapon'i Kristy ny sitrapony. (...)

Tokony hiezaka hanatratra ny fenitra napetrak'Andriamanitra ho antsika isika ka hanao izany amin-kafanam-po sy amim-pitozoana. Aoka tsy hataontsika tahaka ny sazy izany fa ho tahaka ny fomba tokana hahazoana ny tena fahasambarana. Ny hany fomba hahazoana fiadanana sy fifaliana dia ny fananana fifandraisana velona amin'Ilay nanome fiainana antsika (...). 

(...) Moa ve isika tsy hiezaka mafy mba ho tonga araka izay anirian'i Kristy antsika - Kristianina amin'ny asa sy amin'ny fahamarinana -mba hahitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiainantsika ny fanehoana ny herin'ny fahamarinana izay mahavonjy? Ity tany ity no sekoly fanomanana antsika; mandritra izany no isetrantsika ireo fitsapana sy zava-tsarotra. Tsy hitsahatra ny hampivily antsika hiala amin'ny fahatokiana ilay fahavalon'Andriamanitra. Voaro anefa isika rehefa mifikitra amin'Ilay nanolotra ny ainy ho antsika. (...)

 Maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy mba handringanana ilay manana ny herin'ny fahafatesana ary koa mba hanaisotra ny fahotan'ny fanahy mino rehetra. Miantso antsika Izy mba hanolotra ny tenantsika eo amin'ny alitaran'ny fanompoana, ho fanatitra velona (...). Aoka hatolotsika an' Andriamanitra amin'ny fahafenoany ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika. 

Eto amin'ny sekoly eto an-tany no tokony hianarantsika ireo lesona manomana ny fidirantsika any amin'ilay sekoly ambony kokoa izay hitohizan'ny fianarantsika eo ambany fampianarana manokan'i Kristy. (...) Moa ve isika, amin'izao androm-pahasoavana vitsy sisa izao, tsy hitondra tena tahaka ny lehilahy sy vehivavy izay mikatsaka ny fiainana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia ilay fahasambarana mandrakizay? - TDG, t. 145.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal