Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanoloran-tena feno 

Daty
Zoma 13 September 2024

"Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko, fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20. 

Mofon’aina:
Tsy handray zavatra latsaky ny fanoloran-tena tanteraka tsy misy fepetra Andriamanitra. Ny Kristianina mpanota, manana fo mizarazara dia tsy mba hiditra ny lanitra na oviana na oviana. Tsy hahita fifaliana any izy ireo (...).

Ny Kristianina marina dia mano-katra ny varavarankelin'ny fanahiny ho an'ny lanitra. Miara-miaina amin'i Kristy izy. Mifanaraka amin'ny sitrapon'i Kristy ny sitrapony. (...)

Tokony hiezaka hanatratra ny fenitra napetrak'Andriamanitra ho antsika isika ka hanao izany amin-kafanam-po sy amim-pitozoana. Aoka tsy hataontsika tahaka ny sazy izany fa ho tahaka ny fomba tokana hahazoana ny tena fahasambarana. Ny hany fomba hahazoana fiadanana sy fifaliana dia ny fananana fifandraisana velona amin'Ilay nanome fiainana antsika (...). 

(...) Moa ve isika tsy hiezaka mafy mba ho tonga araka izay anirian'i Kristy antsika - Kristianina amin'ny asa sy amin'ny fahamarinana -mba hahitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiainantsika ny fanehoana ny herin'ny fahamarinana izay mahavonjy? Ity tany ity no sekoly fanomanana antsika; mandritra izany no isetrantsika ireo fitsapana sy zava-tsarotra. Tsy hitsahatra ny hampivily antsika hiala amin'ny fahatokiana ilay fahavalon'Andriamanitra. Voaro anefa isika rehefa mifikitra amin'Ilay nanolotra ny ainy ho antsika. (...)

 Maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy mba handringanana ilay manana ny herin'ny fahafatesana ary koa mba hanaisotra ny fahotan'ny fanahy mino rehetra. Miantso antsika Izy mba hanolotra ny tenantsika eo amin'ny alitaran'ny fanompoana, ho fanatitra velona (...). Aoka hatolotsika an' Andriamanitra amin'ny fahafenoany ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika. 

Eto amin'ny sekoly eto an-tany no tokony hianarantsika ireo lesona manomana ny fidirantsika any amin'ilay sekoly ambony kokoa izay hitohizan'ny fianarantsika eo ambany fampianarana manokan'i Kristy. (...) Moa ve isika, amin'izao androm-pahasoavana vitsy sisa izao, tsy hitondra tena tahaka ny lehilahy sy vehivavy izay mikatsaka ny fiainana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia ilay fahasambarana mandrakizay? - TDG, t. 145.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal