Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy pentimpentina

Daty
Sabotsy 14 September 2024

"(...) Dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (...) mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy." - Efes. 5:25,27. 

Mofon’aina:
Mitondra ny anarana Kristia-nina isika, ka aoka mba ho marina eo anatrehan'izany anarana izany. Ny maha-Kristianina dia midika ho fanahafana an'i Kristy. Midika ho fanarahana Azy amin'ny fandavan-tena izany, fanandratana ny Fanevan'ny fitiavany, fanomezam-boninahitra Azy amin'ny teny sy ny asa tsy misy fitiavan-tena. (...) Tsy nisy fiheverana momba ny tena teo amin'ny fiainan'i Kristy (...). Nitafy ny toetsika Izy, ary niaina fiainana feno fanoloran-tena tanteraka ho an'izay mahasoa ny hafa. (...)

Tokony haneho ireo toetran'i Kristy ny Kristianina, eto amin' ity tany ity - tontolo izay anjakan'ny heloka sy ny faharatsiam-pitondrantena. ( . .. ) Irin' i Kristy ny haneho azy ireo "tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany" eo anatrehan'ny Ray (...).

Tamin'ny halehiben'ny fitiavany no nanoloran'i Kristy ny ainy ho antsika. (...) Rehefa feno ny fanoloran-tenantsika, dia azon'i Kristy tontosaina ny asa efa natombony ho antsika tamin'ny nanolorany tanteraka ny Tenany. Amin'izay vao hotanterahiny amintsika ny famerenana antsika amin' ny laoniny tanteraka.

Nanolotra ny Ainy ho fanavotana ny taranak'olombelona i Kristy, mba hananan'izay rehetra mino Azy fiainana mandrakizay. Handray avy amin'ny Mpamonjy ny fanomezana sarobidy indrindra ireo izay mankasitraka izany sorona lehibe izany - fo madio. Fanandramana sarobidy lavitra noho ny volamena na ny volafotsy sy ny vatosoa no azon'izy ireo. Miara-monina amin'i Kristy any amin'ny fonenana any an-danitra izy ireo, ka amin'ny firaisana Aminy no ifaliany amin'ny fiadanana sy ny fifaliana (...). Tia Azy amin'ny fo sy ny saina ary ny fanahy sy ny heriny izy ireo, satria tsapany ny maha-lova novidin'i Kristy azy tamin'ny Rany. (...)

Heverinao ve fa tsy manome tombambidy ireo izay miaina tanteraka ho Azy i Kristy? Moa ve ianao mihevitra fa tsy mamangy ireo izay tahaka an'i Jaona ilay malalany Izy, izay tany amin'ny toerana sarotra sy feno fitsapana noho ny Aminy? Hitany ireo izay mahatoky (...), ka hazoniny mba hiray Aminy; ampahereziny sy atanjahiny ireny. - TDG, t. 159. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal