Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana tsy manam-paharoa

Daty
Talata 17 September 2024

 "Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika. Izaho ao aminy, ary Hianao ato Amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr 'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy." - Jao. 17:22,23. 

Mofon’aina:
Endrey izany fitiavana! Fitiavana tsy manam-paharoa! Azon'ny olombelona izay Iavo atao ny hanana firaisana ety amin'i Kristy ka omem-boninahitra ao Aminy izy ireo. Nanaraka ny diany izy ireo teto an-tany, niasa tahaka izay niasany ho an' ireo fanahy nanolorany ainy. Ary rehefa tonga Izy mba hanambara fa Azy izy ireo, dia hiditra ao amin'ny Fifaliany ireo, ka hiara-mipetraka Aminy eo amin'ny latabatra ao amin'ny Fanjakany. "Ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko" -Jao. 12:26. (...) 

Mahatalanjona loatra ny mieritreritra fa azontsika mpanota lavo sy mahantra atao ny ho tonga iray amin'i Kristy; handray anjara amin'ny maha-Andriamanitra Azy, ary amin'ny alalan'ny fahasoavany (...) voadio sy omem-boninahitra isika. Azontsika atao ny mandresy sy miara-mipetraka amin'i Kristy. (...)

Efa nomeny antsika ny teny fikasany (...). "Aza malahelo ny fonareo; minoa an 'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." - Jao. 14:1-3. (...) 
Izay maniry hankeo amin'ny teny fikasan'ny fanekena dia afaka hanao izany. Sarobidy tokoa ny sanda naloa ho fanavotana antsika - ny ran'ilay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra. Fahoriana mahery vaika no nizahan-toetra an' i Kristy. (...) Nozakainy ny famaizan'ny fahafatesana noho ny fandikan'ny olona ny lalàna. Tonga Mpisolo ny mpanota sy antoka ho azy Izy. Tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty no nanehoany ny vokatry ny fahoriany sy ny fahafatesany. Avy tao amin'ny fasana izay nofain'i Josefa no nandrenesana izao fanambarana izao: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino Ahy, sy manao ny asan'ny fahamarinana ataoko, dia hamarinina, hamasinina, voadio ary voazaha toetra. Efa nahazo ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay izy ireo." - TDG, t. 202. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal