Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana omena mandrakariva 

Daty
Talata 17 September 2024

"Tsara Jehôvah , fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka Aminy." Nah. 1:7. 

Mofon’aina:
Teny fikasana lehibe no ananantsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, raha toa isika mino sy matoky Azy. Tandindomin-doza hitoky amin'ny ezaky ny olombelona mahantra isika ka tsy mametraka ny fitokiantsika amin'Andriamanitra. (...) Rehefa maniraka ny mpiasany hanao asa manokana ho Azy Andriamanitra, dia efa nivoady fa homba azy ireo, raha toa izy miandany Aminy. Hahita zava-tsarotra sy fahakiviana isaky ny indray mandingana kosa izy ireo raha toa misaraka Aminy ka miezaka manao ny asa amin'ny herin'ny tenany. (...)

Fahadalana lehibe indrindra ho antsika ny hihevitra fa izay mety ho fahombiazana dia avy amin'ny herin'ny tenantsika. Arakaraka ny andehanantsika amim-panetren-tena miaraka amin'Andriamanitra no hanehoany ny Tenany amintsika sy hanampiany antsika. Andriamanitra dia tsy mba maniraka ny mpanompony hiasa ho Azy manoloana ny fanoheran'i Satana sy ireo anjely ratsy raha tsy efa manome izany mpanompony izany ny fanampian'ny lanitra. Kely ihany ny fahombiazantsika eo amin'ny asa satria miankina amin'ny ezaka ataon'olombelona isika raha tokony hiantehitra amin'ny fanampiana izay atolotr'Andriamanitra antsika. Tombontsoa ho antsika ny fahatsapana ny fahalemena sy ny tsy fahamendrehantsika, izay mahatonga antsika hitaky ny fanampiana efa nomanin 'Andriamanitra ho antsika. Azontsika raisina ny Teny raha ao anatin'ny fahakiviana isika, ary rehefa tsapantsika ny enta-mavesatra ao amin'ny fanahintsika, dia andeha hilaza hoe: "Tompo ô! Efa nanome teny fikasana Ianao, ary mino ny Teninao aho." 

Aoka isika hianatra hanatona ilay Raintsika any an-danitra tahaka ny fanatonan'ny zaza ny ray aman-dreniny eto an-tany. Hoy Izy: "Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?" - Mat. 6:9-11.

Tokony hitrandraka ny heriny mba hanaovany izay tsara indrindra azony atao ny mpiasan'Andriamanitra tsirairay avy, saingy tsy tokony hitoky amin'izany hery izany izy. Ataovy izay azonao atao rehetra ary avelao Andriamanitra hanao ny ambiny. -TDG, t. 209. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal