Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpisolo avy any an-danitra

Daty
Alarobia 18 September 2024

"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan 'Andriamanitra ao Aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21. 

Mofon’aina:
Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena." -Mar. 15:31 b. Noho ny tsy namonjen'i Kristy ny Tenany indrindra no ananan'ny mpanota fanantenana famelan-keloka na sitraka eo imason'Andriamanitra. Raha tsy nahomby na koa kivy i Kristy teo amin'ny fanatanterahana ny famonjena ny mpanota, dia tsy ho nisy ny fanantenana ho an'ny zanakalahy sy zanakavavin'i Adama rehetra. Feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ny fiainan'i Kristy manontolo; ary ny antony mahavitsy an'isa ny Kristianina mahatoky dia ny fibahanan'ny fampanaranam-po ny tena sy fanaovana izay mahafinaritra eo amin'ny toeran'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. 

Endrey ny faniriana lalina ao amin'i Kristy sy ny hetahetany hamonjy izay very! (...) Tamin'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana no namindrany ny fahamelohana avy teo amin'ny mpandika lalàna hankeo amin'ilay Mpisolo avy any an-danitra amin'ny alalan'ny finoana Azy ho Mpanavotra ny tenany manokana. Natao tao amin'ilay Antoka avy any an-danitra ny fahotan'ity tontolo meloka ity, izay (...)"mena tahaka ny jaky." (...)

Nanao ny asany ny maha-Andriamanitra Azy raha niari-pahoriana ny maha-olombelona Azy noho ny fankahalana sy ny valifatin'ny vahoaka tsy tia an'Andriamanitra, noho ny nanambarany ny Tenany ho Zanak'Andriamanitra. Izy irery no afaka namaly ilay jiolahy nahantra sy nijaly. (...) Hitan' ilay Mpanavotra efa ho faty teo amin'io jiolahy io ny heloka kely kokoa noho ny an'ireo izay nanameloka Azy ho faty. Tsy meloka noho ireo mpisorona sy mpanora-dalàna ary mpanapaka izay nafana fo tamin'ny fitakiana ny hahafaty ilay Zanak'Andriamanitra izy. 

Finoana manao ahoana re no hita tao amin'ity jiolahy efa niala aina teo amin'ny hazo fijaliana ity! Nandray an' Kristy izy tamin'ny fotoana izay toa nahitana fa tsy azo inoana ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy (...). Nisy feo hafa noho izay re nanodidina teo tao amin'ny vavaka nataon' ilay jiolahy nahantra; feo nitory finoana izany, ary nipaka tany amin'i Kristy. (...) Feo mitory fanavotana sy famonjena no re teo anivon'ny fangirifiriana teo am-pialana aina. Nomem-boninahitra tao amin'ny Zanaka sy tamin'ny alalany Andriamanitra. - TDG, t. 236.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal