Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra, hanim-py

Daty
Alatsinainy 23 September 2024

"Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; ( ...) ary ny mofo izay omeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao." - Jao. 6:51. 

Mofon’aina:
Ny fijoroana eo amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fianarana ny Soratra Masina (...) no hany fiarovana ho antsika. Lazao ny olona tsy hihaino ny tenin'ny hafa mahakasika ireo Vavolombelona fa hamaky sy hianatra izany, ka hahalala fa mifandrindra amin'ny fahamarinana ireo. Ny Tenin'Andriamanitra no fahamarinana. Izao no ambaran'ny mpanao Salamo momba ny lehilahy tsara iray: "Fa ny lalàn 'i Jehôvah no sitrany; Eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman 'alina." - Sal. 1:2. Hanana fanandramana mivaingana sy sarobidy izay manao izany amin'ny sainy sy ny fony. Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Izany no singa velona sy tsy mety maty izay aseho mazava ao amin'ny Jao. 6. (...)

Andeha isika hino ny Teny. Izay mihinana ny mofo avy any an-danitra dia mahazo hanina isan'andro ary hahalala ny tian'izao teny izao hambara: "tsy mita hampianarin 'olona hianareo." - 1 Jao. 2:27. (...) Fototra mafy izay azontsika anorenana ny Tenin'Andriamanitrany sarobidy. Rehefa manatona anao amin'ny tomban-keviny ny olona, dia lazao azy fa navelan'ilay Mpampianatra. Lehibe ho anao ny Teniny, izay manana tombambidy tsy hita pesimpesenina; lazao azy fa efa nirahiny ny Mpampahery amin'ny Anarany, dia ny Fanahy Masina. "Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." -Jao. 14:26. (. ..)

Velarina eo anoloantsika ny hanim-py, izay azon'izay rehetra mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenanynany manokana hihinanana. Izy ny hazon'aina ho an'ny rehetra izay manohy mihinana eo Aminy. (...)

Hahazo fampiononana lehibe izay rehetra mandinika ireo teny sarobidy ireo. Fanandramana sarobidy indrindra no ho azony raha hihinana amin'ny hanim-pin'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo. Ho hitany fa toy ny mololo eo anatrehan'ny vary ny tenin' olombelona raha oharina amin'ny tenin' Andriamanitra. 

Nanome torolalana ahy ny Tenin'Andriamanitra fa ho ahy sy ho an'ny zanak'Andriamanitra rehetra ny Teny fikasany. Avelatra eo anoloantsika ny hanim-py; asaina isika hihinana ny Tenin'Andriamanitra, izay hanatanjaka ny nofotra sy ny hozabe ara-panahy. - TDG, t. 292. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal