Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainam-pankatoavana sy fanetren-tena

Daty
Sabotsy 05 October 2024

"Nianatra fanarahana tamin' izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an izay rehetra manaraka Azy. " — Heb. 5:8,9. 

Mofon'aina:    
Tonga teto amin'izao tontolo izao misy antsika i Kristy, nonina tao an-tranon'ny tambanivohitra. Ny akanjo tsara indrindra azon'ny ray aman-dreniny nomena azy no notafiany, dia akanjo tsotran'ny tambanivohitra. Nandia lalana mikitoantoana sy niakatra teny amin'ny havoana sy tendrombohitra Izy. Toa irery ny fahitana Azy raha mandeha eny an-dalana satria tsy hitan'ny mason' olombelona ireo namany avy any an-danitra niara-dia taminy. Nianatra ny asan'ny mpandrafitra Izy mba haneho fa ny asa atao amim-pahamarinana rehetra dia mendri-kaja sy manandratra izay rehetra miasa ho voninahitr 'Andriamanitra. (...)

Tsy nitonona tamin'ny anaram-boninahitra Izy mba hahitan'ny olona ny toerana ambony nananany, kanefa niainany ny lalan'ny fanjakan' Andriamanitra. Tsy maintsy nanomboka tamin'ny fanohanana ny asa tsotran'ny mpanao asa tanana ny asany, dia ireo izay miasa mafy mba hahazoany ny haniny isan'andro. Raha toa ka teo anivon'ny olo-malaza sy ny mpanan-karena i Kristy, dia tsy ho nanana ny fahatsarana nokendren'i Kristy hananany mihitsy ny asan'ireo izay mikely aina sy miasa mafy.

Malemy fanahy sady tsy miavona am-po i Kristy, toy izany ny fiainany. Nifidy izany fiainana izany Izy mba hahafahany manampy ny taranak' olombelona. Tsy nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpanapaka izao tontolo izao Izy fa nilaozany ny maha-Mpanjaka Azy, napetrany ny satro-boninahiny, mba ho iray amintsika olombelona Izy. (...) Tsy takatry ny sain'ny olona ny toerana avo misy Azy raha tsy ampahafantarin'ny Fanahy Masina azy ireo izany. Ho antsika no nanaronany ny maha-Andriamanitra tamin'ny maha-olombelona, ka nandaozany ny seza fiandrianany. (...) Toy izany no nanafenany ny voninahiny tao amin'ny maha-olombelona mba hahazoany mikasika antsika amin'ny herin'Andriamanitra manova fiainana. (…) 

Tsy maintsy manaraka ny oha-piainany izay rehetra nomen'i Kristy androm-pahasoavana mba hamolavolana toetra mendrika ny fitoerana izay namboariny ho antsika any an-danitra. - UL, t. 67.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal