Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainam-pankatoavana sy fanetren-tena

Daty
Sabotsy 05 October 2024

"Nianatra fanarahana tamin' izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an izay rehetra manaraka Azy. " — Heb. 5:8,9. 

Mofon'aina:    
Tonga teto amin'izao tontolo izao misy antsika i Kristy, nonina tao an-tranon'ny tambanivohitra. Ny akanjo tsara indrindra azon'ny ray aman-dreniny nomena azy no notafiany, dia akanjo tsotran'ny tambanivohitra. Nandia lalana mikitoantoana sy niakatra teny amin'ny havoana sy tendrombohitra Izy. Toa irery ny fahitana Azy raha mandeha eny an-dalana satria tsy hitan'ny mason' olombelona ireo namany avy any an-danitra niara-dia taminy. Nianatra ny asan'ny mpandrafitra Izy mba haneho fa ny asa atao amim-pahamarinana rehetra dia mendri-kaja sy manandratra izay rehetra miasa ho voninahitr 'Andriamanitra. (...)

Tsy nitonona tamin'ny anaram-boninahitra Izy mba hahitan'ny olona ny toerana ambony nananany, kanefa niainany ny lalan'ny fanjakan' Andriamanitra. Tsy maintsy nanomboka tamin'ny fanohanana ny asa tsotran'ny mpanao asa tanana ny asany, dia ireo izay miasa mafy mba hahazoany ny haniny isan'andro. Raha toa ka teo anivon'ny olo-malaza sy ny mpanan-karena i Kristy, dia tsy ho nanana ny fahatsarana nokendren'i Kristy hananany mihitsy ny asan'ireo izay mikely aina sy miasa mafy.

Malemy fanahy sady tsy miavona am-po i Kristy, toy izany ny fiainany. Nifidy izany fiainana izany Izy mba hahafahany manampy ny taranak' olombelona. Tsy nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpanapaka izao tontolo izao Izy fa nilaozany ny maha-Mpanjaka Azy, napetrany ny satro-boninahiny, mba ho iray amintsika olombelona Izy. (...) Tsy takatry ny sain'ny olona ny toerana avo misy Azy raha tsy ampahafantarin'ny Fanahy Masina azy ireo izany. Ho antsika no nanaronany ny maha-Andriamanitra tamin'ny maha-olombelona, ka nandaozany ny seza fiandrianany. (...) Toy izany no nanafenany ny voninahiny tao amin'ny maha-olombelona mba hahazoany mikasika antsika amin'ny herin'Andriamanitra manova fiainana. (…) 

Tsy maintsy manaraka ny oha-piainany izay rehetra nomen'i Kristy androm-pahasoavana mba hamolavolana toetra mendrika ny fitoerana izay namboariny ho antsika any an-danitra. - UL, t. 67.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal