Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vonona hanome hery antsika i Kristy

Daty
Talata 22 October 2024

"Ary hianareo dia tanteraka ao Aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra. " - Kôl. 2:10. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy miaina eo ambany tara-pahazavana mitosaka sy   mafanan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana isika. Tsy misy afa-tsy ny fitiavany be fangorahana sy ny fahasoavany ary ny heriny tsitoha no ahafahantsika miady amin' ilay fahavalo tsy mifaditrovana sy mampilefitra ny fon'ny olombelona be fanoherana. Inona no herintsika? Ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Aoka hameno ny fontsika ny afo mandevon'ny fitiavan'i Kristy, dia halemy fanahy sy handefitra isika, ho vonona handray ny hery izay nomaniny ho antsika.

Aoka hisaotra an'Andriamanitra isan'andro isika noho ireo fitahiana izay antsika. Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra ny olombelona, ka mahatsapa fa tsy mety tokoa ny mikolokolo toe-tsaina miavona tsy mila fanampiana, ary mahita fa tsy manan-kery na kely aza izy hanao ny asa tokony hatao ho fanadiovana ny fanahiny, ka tsy mihevi-tena ho marina velively, dia hataon'i Kristy tombo-kavatsa eo amin'ny fanahiny ny endriny (endrik'i Kristy). (...)

Tsy mba hataon'i Kristy tsirambina ny asa apetraka eo an-tanany. Hataony tsapan'ny mpianany mahafatra-po ny faharatsiana sy ny fahalotoan'ny fony noho ny fahotana, ary ny fahasimban'ny fo izay iasany. Izay mibebaka marina dia mahafantatra fa tsy misy ilana azy ny fanandratan-tena. Rehefa mampitaha ny fahalemen'ny tenany amin'ny toetra tonga lafatry ny Mpamonjy izy dia hiteny hoe: tsy manan-java-tsoa azo atolotra aho, fa ny hazo fijalianao no amikirako.

 Hilaza toa an'i Isaia izy hoe: "Jehôvah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao." — Isa. 26:12,13.

Izay mikatsaka ny fahamarinana ka mibanjina an'i Kristy mba ho tonga tahaka Azy dia mahita ny fahatanterahan'nylalàn'Andriamanitra, ary manjary tsy afa-po na amin'inona na amin'inona afa-tsy amin'ny fahatanterahana ihany. Afeniny ao amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainany ka hitany fa miseho eo amin'ny toetran'i Kristy ny fahamasinan'ny lalana, koa ampitomboiny hatrany ny ezaka mba ho tahaka Azy. Aoka hivonona hiady amin'ny fotoana rehetra satria hitan'ilay mpaka fanahy fa very ny iray amin'ny olony. UL, t. 238. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal