Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vonona hanome hery antsika i Kristy

Daty
Talata 22 October 2024

"Ary hianareo dia tanteraka ao Aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra. " - Kôl. 2:10. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy miaina eo ambany tara-pahazavana mitosaka sy   mafanan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana isika. Tsy misy afa-tsy ny fitiavany be fangorahana sy ny fahasoavany ary ny heriny tsitoha no ahafahantsika miady amin' ilay fahavalo tsy mifaditrovana sy mampilefitra ny fon'ny olombelona be fanoherana. Inona no herintsika? Ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Aoka hameno ny fontsika ny afo mandevon'ny fitiavan'i Kristy, dia halemy fanahy sy handefitra isika, ho vonona handray ny hery izay nomaniny ho antsika.

Aoka hisaotra an'Andriamanitra isan'andro isika noho ireo fitahiana izay antsika. Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra ny olombelona, ka mahatsapa fa tsy mety tokoa ny mikolokolo toe-tsaina miavona tsy mila fanampiana, ary mahita fa tsy manan-kery na kely aza izy hanao ny asa tokony hatao ho fanadiovana ny fanahiny, ka tsy mihevi-tena ho marina velively, dia hataon'i Kristy tombo-kavatsa eo amin'ny fanahiny ny endriny (endrik'i Kristy). (...)

Tsy mba hataon'i Kristy tsirambina ny asa apetraka eo an-tanany. Hataony tsapan'ny mpianany mahafatra-po ny faharatsiana sy ny fahalotoan'ny fony noho ny fahotana, ary ny fahasimban'ny fo izay iasany. Izay mibebaka marina dia mahafantatra fa tsy misy ilana azy ny fanandratan-tena. Rehefa mampitaha ny fahalemen'ny tenany amin'ny toetra tonga lafatry ny Mpamonjy izy dia hiteny hoe: tsy manan-java-tsoa azo atolotra aho, fa ny hazo fijalianao no amikirako.

 Hilaza toa an'i Isaia izy hoe: "Jehôvah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao." — Isa. 26:12,13.

Izay mikatsaka ny fahamarinana ka mibanjina an'i Kristy mba ho tonga tahaka Azy dia mahita ny fahatanterahan'nylalàn'Andriamanitra, ary manjary tsy afa-po na amin'inona na amin'inona afa-tsy amin'ny fahatanterahana ihany. Afeniny ao amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainany ka hitany fa miseho eo amin'ny toetran'i Kristy ny fahamasinan'ny lalana, koa ampitomboiny hatrany ny ezaka mba ho tahaka Azy. Aoka hivonona hiady amin'ny fotoana rehetra satria hitan'ilay mpaka fanahy fa very ny iray amin'ny olony. UL, t. 238. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal