Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka isika ho eo an-tànan'i Kristy

Daty
Alatsinainy 28 October 2024

"Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray." - Jao. 10:29. 

Mofon’aina:
Mila mitombo bebe kokoa amin'ny finoana isika. Kely oatra ny finoantsika. Ny Tenin' Andriamanitra no manohana antsika. Aoka horaisintsika sy hinoantsika tsotra izao ny teny tsirairay, dia ho azontsika atao, araka ny haben'ny finoantsika, ny mitaky zava-dehibe amin'Andriamanitra (...). Raha mampietry ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra isika, raha katsahintsika ny hitoetra ao amin'i Kristy, dia hanana fanandramana ambony sy masina kokoa isika. (...)

Ny fanatanterahana fotsiny izay andidian'Andriamanitra antsika no atao hoe finoana marina, fa tsy ny fanovaovana ny didy asainy ankatoavina. Vokatry ny finoana ny rariny sy ny fahamarinana ary ny famindrampo. Mila mandeha amin'ny fahazavan'ny lalàn'Andriamanitra isika, dia hiteraka asa tsara ny finoantsika, izay vokatry ny fo nohavaozina isan'andro. 

Tsy azontsika atao andriamanitra ny tenantsika. Andriamanitra mihitsy no nanolotra ny Tenany ho faty ho antsika, mba hahafahany manadio antsika ho afaka amin'ny faharatsiana rehetra. Hataon'Andriamanitra tanteraka tokoa isika raha avelantsika hofeheziny ny tenantsika. (...)

Tsy afaka manatanteraka asam-pahamarinana isika raha tsy manana finoana ao anatintsika. Aoka ny herin'Andriamanitra tsitoha hifehy ny fihetsikao rehetra. Ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay. (...) Raha miray Aminy amim-pinoana velona isika dia manana tombon-tsoa hisitraka ny fanelanelanana ataony, izay mahavonjy tokoa. Koa voahombo miaraka amin'i Kristy isika, maty miaraka Aminy, mitsangana amin'ny maty miaraka Aminy, mba handehanantsika amin'ny fiainam-baovao miaraka Aminy.

Aoka isika ho eo an-tanan'i Kristy fa tsy ny tanantsika (...). Ny tsy fananantsika finoana no mahatonga antsika tsy hahita loatra ny herin'Andriamanitra. Ny asan'ny tenantsika no inoantsika kokoa noho ny herin'Andriamanitra miasa ho antsika. Nataon'Andriamanitra izay rehetra azony natao mba hahatonga antsika hiray fo, hiray saina, hanao soroka miara-milanja. Ny tsy fisian'izany fifankatiavana sy fifampitokisana izany no mandemy ny finoantsika an'Andriamanitra.

 Mila mivavaka mihoatra noho ny hatramin'izay isika mba ho vita batisa amin'ny Fanahy Masina, satria raha misy fotoana ilana izany batisa izany, dia ankehitriny. (...) Rehefa mandray ny Fanahy ny lehilahy sy ny vehivavy dia handalo fahateraham-baovao. — UL, t. 346. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal