Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka isika ho eo an-tànan'i Kristy

Daty
Alatsinainy 28 October 2024

"Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray." - Jao. 10:29. 

Mofon’aina:
Mila mitombo bebe kokoa amin'ny finoana isika. Kely oatra ny finoantsika. Ny Tenin' Andriamanitra no manohana antsika. Aoka horaisintsika sy hinoantsika tsotra izao ny teny tsirairay, dia ho azontsika atao, araka ny haben'ny finoantsika, ny mitaky zava-dehibe amin'Andriamanitra (...). Raha mampietry ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra isika, raha katsahintsika ny hitoetra ao amin'i Kristy, dia hanana fanandramana ambony sy masina kokoa isika. (...)

Ny fanatanterahana fotsiny izay andidian'Andriamanitra antsika no atao hoe finoana marina, fa tsy ny fanovaovana ny didy asainy ankatoavina. Vokatry ny finoana ny rariny sy ny fahamarinana ary ny famindrampo. Mila mandeha amin'ny fahazavan'ny lalàn'Andriamanitra isika, dia hiteraka asa tsara ny finoantsika, izay vokatry ny fo nohavaozina isan'andro. 

Tsy azontsika atao andriamanitra ny tenantsika. Andriamanitra mihitsy no nanolotra ny Tenany ho faty ho antsika, mba hahafahany manadio antsika ho afaka amin'ny faharatsiana rehetra. Hataon'Andriamanitra tanteraka tokoa isika raha avelantsika hofeheziny ny tenantsika. (...)

Tsy afaka manatanteraka asam-pahamarinana isika raha tsy manana finoana ao anatintsika. Aoka ny herin'Andriamanitra tsitoha hifehy ny fihetsikao rehetra. Ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay. (...) Raha miray Aminy amim-pinoana velona isika dia manana tombon-tsoa hisitraka ny fanelanelanana ataony, izay mahavonjy tokoa. Koa voahombo miaraka amin'i Kristy isika, maty miaraka Aminy, mitsangana amin'ny maty miaraka Aminy, mba handehanantsika amin'ny fiainam-baovao miaraka Aminy.

Aoka isika ho eo an-tanan'i Kristy fa tsy ny tanantsika (...). Ny tsy fananantsika finoana no mahatonga antsika tsy hahita loatra ny herin'Andriamanitra. Ny asan'ny tenantsika no inoantsika kokoa noho ny herin'Andriamanitra miasa ho antsika. Nataon'Andriamanitra izay rehetra azony natao mba hahatonga antsika hiray fo, hiray saina, hanao soroka miara-milanja. Ny tsy fisian'izany fifankatiavana sy fifampitokisana izany no mandemy ny finoantsika an'Andriamanitra.

 Mila mivavaka mihoatra noho ny hatramin'izay isika mba ho vita batisa amin'ny Fanahy Masina, satria raha misy fotoana ilana izany batisa izany, dia ankehitriny. (...) Rehefa mandray ny Fanahy ny lehilahy sy ny vehivavy dia handalo fahateraham-baovao. — UL, t. 346. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal