Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandeha amin'ny mazava ny fanahy nohamarinina 

Daty
Alakamisy 07 November 2024

"Izay nasehon’Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin 'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian 'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:25,26 

Mofon'aina:
Hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany" hoy ny apôstôly Paoly, "noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin 'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:24-26. Haseho mazava ny fahamarinana eto. Tsy mendrika izany famindram-po sy fahasoavana izany isika. Manamarina maimaimpoana ny mpanota ny fahasoavan'i Kristy na dia tsy mendrika izany aza izy (...). Famelana feno sy tanteraka ny fahotana ny fanamarinana. Amin'ny fotoana andraisan'ny mpanota iray an'i Kristy amin'ny finoana no amelana ny fahotany. (...) (...) Tsy mahaisotra ny fahamelohantsika ny finoana. (...) Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesôsy Kristy no ahazoantsika fanamarinana. Efa naloany ny sandan'ny fanavotana ny mpanota. Amin'ny alalan'ny finoana ny rany ihany anefa no hanamarinany ny mpino.

Tsy azon'ny mpanota atao ny miantehitra amin'ny asa soa mba hanamarinana azy. Tsy maintsy tonga amin'ny fahafoizana ny fahotany rehetra izy ary mandray fahazavana tsikelikely raha mamiratra eo amin'ny lalany izany. Amin'ny finoana no handraisany ny fanomezana lehibe sy maimaimpoana atolotra ao amin'ny ran'i Kristy. (...) (...) Ny fihavanana amin'Andriamanitra no vokatr'izay ataon'i Kristy ho azy. Hahazo fahazavana avy any an-danitra ny fanahy izay milefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra  sy manome voninahitra Azy ary mpanatanteraka ny Teniny. Misy fahadiovana sy fahamboniana ary fahatsaran-tarehy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sarobidy (...). Tsy misy fialan-tsiny azontsika ambara manoloana ny famotsorantsika ny tanan'Andriamanitra, na inona na inona fizahan-toetra misy. Mety tsy hangoraka antsika ny olombelona fa Andriamanitra kosa dia mbola tia sy mangoraka ary manatsotra ny Tanany hanampy antsika. (...) Tian'Andriamanitra raha mangataka Aminy ny zanany ary koa matoky Azy fa hataony ho azy ireo ny zavatra izay tsy hainy atao ho an'ny tenany. - RC, t. 78 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal