Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandeha amin'ny mazava ny fanahy nohamarinina 

Daty
Alakamisy 07 November 2024

"Izay nasehon’Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin 'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian 'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:25,26 

Mofon'aina:
Hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany" hoy ny apôstôly Paoly, "noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin 'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:24-26. Haseho mazava ny fahamarinana eto. Tsy mendrika izany famindram-po sy fahasoavana izany isika. Manamarina maimaimpoana ny mpanota ny fahasoavan'i Kristy na dia tsy mendrika izany aza izy (...). Famelana feno sy tanteraka ny fahotana ny fanamarinana. Amin'ny fotoana andraisan'ny mpanota iray an'i Kristy amin'ny finoana no amelana ny fahotany. (...) (...) Tsy mahaisotra ny fahamelohantsika ny finoana. (...) Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesôsy Kristy no ahazoantsika fanamarinana. Efa naloany ny sandan'ny fanavotana ny mpanota. Amin'ny alalan'ny finoana ny rany ihany anefa no hanamarinany ny mpino.

Tsy azon'ny mpanota atao ny miantehitra amin'ny asa soa mba hanamarinana azy. Tsy maintsy tonga amin'ny fahafoizana ny fahotany rehetra izy ary mandray fahazavana tsikelikely raha mamiratra eo amin'ny lalany izany. Amin'ny finoana no handraisany ny fanomezana lehibe sy maimaimpoana atolotra ao amin'ny ran'i Kristy. (...) (...) Ny fihavanana amin'Andriamanitra no vokatr'izay ataon'i Kristy ho azy. Hahazo fahazavana avy any an-danitra ny fanahy izay milefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra  sy manome voninahitra Azy ary mpanatanteraka ny Teniny. Misy fahadiovana sy fahamboniana ary fahatsaran-tarehy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sarobidy (...). Tsy misy fialan-tsiny azontsika ambara manoloana ny famotsorantsika ny tanan'Andriamanitra, na inona na inona fizahan-toetra misy. Mety tsy hangoraka antsika ny olombelona fa Andriamanitra kosa dia mbola tia sy mangoraka ary manatsotra ny Tanany hanampy antsika. (...) Tian'Andriamanitra raha mangataka Aminy ny zanany ary koa matoky Azy fa hataony ho azy ireo ny zavatra izay tsy hainy atao ho an'ny tenany. - RC, t. 78 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal