Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hamaivanina ny fanompoam-pivavahan'ny mpianakavy

Daty
Alakamisy 14 November 2024

"[Matokia an]' Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika." - 1 Tim. 6:17 

Mofon’aina:
Mety ho sambatra sy ilain'ny fiarahamonina tokoa isika raha toa ny fitsipiky ny fivavahana Kristianina no mifehy ny tokantranontsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa. (...) Aoka ho hitan'ireo vahinintsika ny fiezahantsika hanao izay hahasambatra ireo manodidina antsika amin'ny alalan'ny toetra miramirana sy ny firaisam-po ary ny fitiavana.

Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa manana adidy eo anatrehan'Andriamanitra isika eo am-piantohana ny mety sy ny mendrika ary ny mahafaly ny vahinintsika. Tsy tokony hamaivanina velively ny oran'ny fanompoam-pivavahana ao an-tokantrano. (...) Aoka ho hitan'ireo vahiny mamangy ny tokantrano kristianina fa fotoana manokana ary masina indrindra ho an'ny mpianakavy ny fotoam-pivavahana. Hanana hery miasa mangina ny ohatra tahaka izany.

Tokony hokatsahin'ny Kristianina ny hanehoana ny Tompony amin'izay ataony rehetra, mba hahatonga ny fanompoana Azy hanintona. (...)

 Foronin'ny saina fotsiny ny sivy ampahafolon'ny fitsapana sy ny zava-tsarotra mampitebiteby ny olona maro; mety ho vokatry ny fahadisoana nataony koa anefa izany. Tokony hatsahany ny firesahana momba ireny zava-tsarotra ireny sy ny fanindrahindrana izany. Azon'ny Kristianina lazaina amin'Andriamanitra ny tebitebiny rehetra sy ny zava-manahiran-tsaina azy. Tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho tsikaritr'ilay Mpamonjy antsika be fangorahana; tsy misy lehibe loatra ka tsy ho hainy ny mitondra izany.

 Aoka àry isika hanao izay hilaminan'ny tokantranontsika sy ny fontsika; andeha hampianarina ny zanatsika fa ny fahatahorana an'Andriamanitra no fiandoham-pahendrena (...). Kanefa ambonin'ny zavatra rehetra, andeha isika hampifantoka ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika amin'ilay Mpamonjy malala izay niari-pahoriana ho an'ny olombelona meloka ka nanokatra ny lanitra ho antsika.

Tsy azo afenina ny fitiavana an'i Jesôsy fa tsy maintsy hiseho sy ho tsapa ho azy. (...) Mahatonga ny saro-kenatra ho sahisahy izany, mahatonga ny kamo hanana vitrika, ary mahahendry ny tsy manam-pahalalana. (...) Mitondra fanantenana ho an'izay kivy izany, ary fifaliana ho an'ny malahelo. Mahatonga izay manana azy hanaiky ny andraikitra sy ny asa apetraka aminy ny fitiavana an'i Kristy, ka amin'ny herin'i Kristy no itondrany ireny. - RC, t. 183.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal