Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hamaivanina ny fanompoam-pivavahan'ny mpianakavy

Daty
Alakamisy 14 November 2024

"[Matokia an]' Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika." - 1 Tim. 6:17 

Mofon’aina:
Mety ho sambatra sy ilain'ny fiarahamonina tokoa isika raha toa ny fitsipiky ny fivavahana Kristianina no mifehy ny tokantranontsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa. (...) Aoka ho hitan'ireo vahinintsika ny fiezahantsika hanao izay hahasambatra ireo manodidina antsika amin'ny alalan'ny toetra miramirana sy ny firaisam-po ary ny fitiavana.

Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa manana adidy eo anatrehan'Andriamanitra isika eo am-piantohana ny mety sy ny mendrika ary ny mahafaly ny vahinintsika. Tsy tokony hamaivanina velively ny oran'ny fanompoam-pivavahana ao an-tokantrano. (...) Aoka ho hitan'ireo vahiny mamangy ny tokantrano kristianina fa fotoana manokana ary masina indrindra ho an'ny mpianakavy ny fotoam-pivavahana. Hanana hery miasa mangina ny ohatra tahaka izany.

Tokony hokatsahin'ny Kristianina ny hanehoana ny Tompony amin'izay ataony rehetra, mba hahatonga ny fanompoana Azy hanintona. (...)

 Foronin'ny saina fotsiny ny sivy ampahafolon'ny fitsapana sy ny zava-tsarotra mampitebiteby ny olona maro; mety ho vokatry ny fahadisoana nataony koa anefa izany. Tokony hatsahany ny firesahana momba ireny zava-tsarotra ireny sy ny fanindrahindrana izany. Azon'ny Kristianina lazaina amin'Andriamanitra ny tebitebiny rehetra sy ny zava-manahiran-tsaina azy. Tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho tsikaritr'ilay Mpamonjy antsika be fangorahana; tsy misy lehibe loatra ka tsy ho hainy ny mitondra izany.

 Aoka àry isika hanao izay hilaminan'ny tokantranontsika sy ny fontsika; andeha hampianarina ny zanatsika fa ny fahatahorana an'Andriamanitra no fiandoham-pahendrena (...). Kanefa ambonin'ny zavatra rehetra, andeha isika hampifantoka ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika amin'ilay Mpamonjy malala izay niari-pahoriana ho an'ny olombelona meloka ka nanokatra ny lanitra ho antsika.

Tsy azo afenina ny fitiavana an'i Jesôsy fa tsy maintsy hiseho sy ho tsapa ho azy. (...) Mahatonga ny saro-kenatra ho sahisahy izany, mahatonga ny kamo hanana vitrika, ary mahahendry ny tsy manam-pahalalana. (...) Mitondra fanantenana ho an'izay kivy izany, ary fifaliana ho an'ny malahelo. Mahatonga izay manana azy hanaiky ny andraikitra sy ny asa apetraka aminy ny fitiavana an'i Kristy, ka amin'ny herin'i Kristy no itondrany ireny. - RC, t. 183.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal