Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpianakavy mampiseho ny fahatsaran'Andriamanitra 

Daty
Zoma 15 November 2024

"Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehôvah izay matahotra Azy." - Sal. 103:13 

Mofon’aina:
Ento eo amin'ny resaka ifanaovanao amin'ny hafa ny tara-masoandron'ny lanitra. Amin'ny fanaovana teny mampahery sy manokana ny hafa no hanehoanao fa mitoetra ao amin'ny fanahinao ny fahamarinan'i Kristy. Mila teny mahafinaritra ny zanaka. Zava-dehibe ho an'ny fahasambaran'izy ireo ny fahatsapany ny fanekena azy. Miezaha mafy mba handresy ny fomba fiteny mivatravatra, ary mikolokoloa feo malefaka. Raiso ny fahatsarana hita ao amin'ireo leson'ny Tenin'Andriamanitra, ary kolokoloy ho toy ny zava-manan-danja iankinan'ny fifaliana sy ny fahombiazan'ny fiainan-tokantranonao izany. (...)

Tsy mamirapiratra ety ivelany amin'ny fotoana manokana fotsiny ny tena fahatsaran-toetra; miseho amin'ny toe-javatra rehetra ny fahasoavan'i Kristy izay mitoetra ao amin'ny fanahy. (...) Tokony hiaina ny fiainan'i Kristy isika, ao an-tokantrano, any ivelany, ao am-piangonana. Fanahy maro eny rehetra eny no mila fiovam-po. Rehefa voasoratra ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary miseho amin'ny toetra masina, dia ho voatarika haniry izany ireo mahalala ny herin'ny fahasoavan'i Kristy ka hiova fo.

(...) Ny fisaintsainana momba ny fanapahan-kevitra raisina any an-danitra amin'izao ankehitriny izao dia tokony handrisika ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany hanana fahatahorana sy fitiavana an'Andriamanitra. Tsy ny teny mahery sy ny famaizana noho ny fahadisoana no ahavitana izany indrindra, fa amin'ny fiambenana sy ny fivavahana mba tsy ho azon'ny fandrik'ilay fahavalo izy ireo. (...)

Tokony ho vonona hanao asa manokana ny vahoakan'Andriamanitra. Ny ankizy sy ireo olon-dehibe ao amin'ny fianakaviana dia samy asaina manao ny anjarany amin'ny fikatsahana hamonjy ireo efa ho very. (...)

Ilain'ny ray aman-dreny ny mahatakatra bebe kokoa sy manome voninahitra ny andraikitra napetrak’Andriamanitra hosahaniny, dia  ny haneho Azy amin'ireo zanaka. Arakaraka ny toetra asehon'ny ray aman-dreny amin'ny fifandraisana eo amin'ny fiainana andavanandro no haneho amin'ny zanaka ny hevitr'izao tenin'Andriamanitra izao: "Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran’i Jehôvah izay matahotra Azy" Sal 103:13. "Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo." Isa. 66:13. - RC, t. 185. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal